Edito

Edito Tsy maintsy hifidy !


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Na nametra-pialana ilay nasaina nametraka na tsia na hahemotra na haroso ny fifidianana dia tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana ihany.

 

 

 Tsy maintsy hanao fifidianana isika, raha ny mikasika izay hitondra ity tany sy firenena ity no asian-teny. Iza no sahy hanome antoka fa tsy hisy haningana indray eny antenantenan’izay atao hoe : fihaonambem-pirenena sy tetezamita vaovao kasain’ny sasany hatranga eo ? Azo antoka ve fa hahari-pery amin’izay tetezamita tokoa isika ? Izay hitondra ao ve hahafehy tena tsy hanao ampihimamba ? Ary ireo vahoaka ve mbola hahazaka ny jaly hitombo haterak’izay mety hiakaran’ny vidim-piainana eo indray ? Fanontaniana tsara apetraka amin’ny rehetra izany. Izao dia efa manomboka ny atao hoe fifidianana fa tsy mbola amin’ny 7 novambra loatra akory. Zava-droa loha ankehitriny no firehana mifanandrina eo amin’ny tontolo politikan’i Madagasikara ka na isika hifidy ny hiroso amin’ny fifidianana na hiroso amin’ny fanorenana ifotony aloha. Vita io dia mbola haneho ny safidiny amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato sa hisafidy ny tsy handatsa-bato ? Samy fifidianana daholo koa izany. Na hahemotra io na haroso dia ny eo ihany no ho eo, hoy ilay zokiolona izay. An’ny vahoaka Malagasy manomboka eto ny baolina. Maro ny safidy ka hahay hifidy isika sa tsia ? Ho mpifidy sa ho mpandatsa-bato ? Ho hita tokoa izany izay vokatr’iny fanambarana nandrasana ela nivaly omaly iny, hampiova inona eto amin’ny firenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT