Hiverina hiatrika lalao iraisampirenena indray ny Barea nanao CAN farany teo ny sabotsy izao.
Azo antoka fa ho heno hanakoako etsy Mahamasina indray amin’io fotoana io ilay hira malaza hoe “Tsy mahalala menatra io”. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana izay noho io hira io nanamarika izao fitondrana izao ihany koa. Raha ny zava-misy anefa dia toa ireo mpitondra sy ny ekipany ihany no hita ho tsy mahalala menatra indray ankehitriny. Sahin’ny kandida ho ben’ny tanàna atolotry ny vondrona politika miaradia amin’ny filoham-pirenena ny mampanantena fa izy no hamaha ny olan’ny fahatampahan-jiro mampikaikaika ny rehetra ankehitriny kanefa ny filoham-pirenena izay ao an-damosiny aza tsy mahavaha ny olana ihany mandrak’izao. Sahiny ny mbola maneho an-tsary fa hitondra soa ho an’ny Malagasy ny fanotofana tanimbary. Betsaka ireo tranga efa hita izao fa mariky ny tsy fahafehezana lafin-javatra maro toy ny tsy fandriampahalemana sy ny fidangan’ny vidim-piainana ary ny fahatapahana lavareny eo amin’ny jiro sy rano. Na olon-dratsy efa any anaty fonja aza izany ankehitriny dia mbola sokirin’ny fokonolona any anaty figadrany ihany. Asa na mbola tokony hampipetra-potsiny ny fitondrana ny mandre vaovao fa misy toe-draharaha toy izany any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra any. Sao dia mba misy fahamarinany kosa ary ny filazan’ireo mpanao politika sasany hoe mbola fihetsika sy fanaona filohana antoko politika ny an’ny filoham-pirenena fa tsy izay fihetsika maha filoham-pirenena izay velively ? Rahoviana ihany no tena hifarana tanteraka ny propagandiny mba tena hifantohany amin’ny fampandrosoana ity firenena ity marina ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.