Edito

Edito Tsy hita fototra


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Hiditra amin’ny volana faharoa ankehitriny ny fitondrana Rajoelina. Amin’ny ankapobeny dia zava-droa loha sahady farafahakeliny no fanamby tsy tanterak’izao fitondrana izao.

 

 

Isan’izany ny lafiny fampitoniana ny tontolo politika. Tsy feno akory ny iray volana nitondrana dia efa fisamborana ireo heverina ho fahavalo politika sahady no nanamarika azy. Nilokaloka anefa ity filoham-pirenena vaovao ity fa ho filoham-pirenen’ny firaisam-pirenena. Hisy fampihavanana tena izy amin’izay ve ho tafapetraka ao anatin’izao kisambosambotra isaky ny mihetsika izao ? Ny faharoa dia ny mikasika ny fampiasana ireo harem-pirenena ho fototry ny fampandrosoana. Aiza izany izao ilay hoe tsy mila miankin-doha amin’ny famatsiana avy any dilambato ? Hay tsy maintsy nila ny FMI sy ny BAD ihany ? Raha anontaniana angamba ny olompirenena mikasika izay heveriny ho nanamarika izay iray volana nijoroan’ny fitondrana ankehitriny izay dia voambolana tokana no mamehy azy. “Kisambotsambotra”. Tsy misy maha ratsy ny fanafoanana ny tsimatimanota tokoa, araka ny nambaran’ilay mpahaifiarahamonina iray izay, saingy ny halako bika tsy tiako tarehy kosa dia mamboly lonilony vaovao indray. Dia tsy nisy tomponandraiki-panjakana tao anatin’ny fitondrana tetezamita 2009 – 2013 tsy ho isan’ireo nohahiahiana ho voasaringotr’ireny afera nambotry firenena ireny mihitsy ve ankoatr’ireo mpiaradia amin’ireo kandida hafa tsy nanohana ny tena ? Fa naninona no dia nolaniana tamin’ny fanenjehana ireo tsy nitovy firehan-kevitra politika ny 1 volana nitondrana ? Sa ny 100 andro mihitsy no holaniana amin’izany mba tsy hilazana hoe ny 5 taona, sanatriavin’ny vava ? Fehiny, tsy hita fototra ilay vinan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Mamono mankaiza marina, araka ny fitenin’ny tanora izany moa ity IEM ity ? Rahoviana no hisy fototra trano mijoalajoala hipetraka na eto Antananarivo io na any Toamasina na any Ambatondrazaka ? Rahoviana no hahatsapa ny Malagasy fa niakatra ny faripiainany ary nihena ny fahasahiranany ? Sao dia nampahafantarina tany Frantsa ny IEM dia avy eo nofintinina tamin’ny velirano 13 saingy rehefa namboarina ny PGE dia lasa MAP iray latsaka fahefany tampoka ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT