Edito

Edito Tsy azo terena !


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Kolikoly, tsy fandriampahalemana, gaboraraka, tsimatimanota, sy izay endrika tsy fahavanonana rehetra nanjaka teto amin’ity firenena ity hatramin’izay sy tsy mety afaka aminy hatramin’izao dia tsy misy azo terena ho afaka aminy vetivety.

 Tsy sanatria maniry ratsy ho an’ny firenena akory. Ilaina ny mampahatsiahy fa na ny nanjanaka an’ity firenena ity aza mbola ezaka be avy amin-dry zareo frantsay no nahatongavana tamin’izany. Voalazan’ireo raki-tsoratra sasany momba ny tantaran’i Madagasikara, ohatra, ny mikasika ny andian-tafika nentin’ilay frantsay Flacourd nanafika teto tamin’ny taona 1660 saingy tsy nahovoka. Talohan’ny taona 1896, fotoana nahababoan’ny frantsay antsika koa dia efa nisy ny mpahan’olona antsoina hoe Pirolier nampiasain’ny frantsay nandinika ny kolontsaina sy ny fombafomba teto. Ary na tao anatin’ny fanjanahantany aza moa dia mbola naniraka mpahay vondron’olona ihany koa ny jeneraly De Gaule hijery ny toetran’ireo foko 18 hanamorana ny politikan’ny zarazarao hanjakana, raha ny voarakitra ao anatin’ny boky siantifika momba izany tamin’ny fotoan’androny na ny ORSTOM. Ireto manampahaizana frantsay ireto, raha ny voalaza, no nametraka ny « merina malama loha » na « betsileo jokotsorika » sy « tandroy fangalarana » sy ny hafa tsy voatanisa ireny. Izany hoe nandany 300 taona teo ho eo izany ny frantsay nitadiavana izay fomba mahomby nanjanahana antsika ary tsy mahagaga raha mbola maro ireo mahita fa mbola voazanaka amin’ny fomba vaovao ny Malagasy amin’izao fotoana ary mbola saribakolin’ny frantsay ny ankamaroan’ireo mpanao politika sy mpitondra eto. Tsy havelan’ny vahiny mora foana izay azony tamin’ny sarotra. Ireo saribakoly ireo ilay mora voasariky ny tsolotra sy ny gaboraraka ankehitriny, araka ilay voalazan’ny mpahay lalàna iray izay. Ho vitan’ny fitondrana ankehitriny tokoa ve ny hitondra fanovana vetivety ireo toetsaina lomorina tsy tao anatin’ilay 58 taona notatatatainy ihany fa efa hatramin’ny taona 1900 no ho miakatra ? Tsy misy fampandrosoana azo terena fa miainga amin’ny fahatomombanan’ny toe-tsaina sy toe-batana ary toe-panahin’ny olompirenena io, hoy ry zareo indianina izay. Rehefa tsy hahay hampandray anjara ny vahoaka malagasy rehetra amin’ny fampandrosoana sy tsy diso fahavalom-pirenena, araka izany, ireo mpitondra dia tsy tafavoaka isika na mbola hiampy 58 taona manaraka indray aza iainana eto. Nofy ririnina ny hanavotra ny nosy ao anatin’ny 5 taona izany !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT