Edito

Tsimbalivaly ara-politika…


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Tsy misy raiki-pohy raikitra ny politika eto amintsika hoe : tsy maintsy izao na izao ny politika eto,

fa betsaka ny mety ho fivadihan-javatra, arakaraka ny tsio-drivotra politika. Azo heverina sy ampoizina ny zava-drehetra, toy hoe : ny mpiray latabatra anio mety ho mpifandrina rahampitso, ary ny mpifanandrina anio mety hifandamina rahampitso. Dia tahaka izany ihany koa ny hoe : ny mihevi-tena ho manana ny tanjaka tsy azo hozongozonina anio, mety hikoa ihany rahampitso. Tsy azo atao noho izany ny mirehareha sy mihevi-tena ho manana ny tanjaka sy tsy hanaiky ho diso mandrakizay na efa abaribaribarin’ny zava-misy aza fa tena efa aloam-bahoaka ny mpitondra na ny Fanjakana iray. Ny lesona no mila alaina hoe : firifiry no nampiseho hery sy nieritreritra tsy ho tratry ny aloka teto, fa taiza sy inona no niafarany ? Mbola ny didin’ny be sandry sy ny kajikajy maloto hahazoana fahefana miorina eo ambony fahalemena politika ve no heverina fa hampahomby ny fitantanana ? Ekena ihany koa fa mety handeha ny fifanarahana na « deal politique » noho ny tsindry na avy ato anatiny na iraisam-pirenena aoriana hanalefahana ny maripana politika ahiana hiteraka fipoahana ka raha toa ka ho tonga amin’izany ihany tokoa, nahoana no efa betsaka ny zavatra potika sy rava hifandamina ? Enga anie mba hisy ny tena fijerena ny tombotsoam-pirenena sy ny tombotsoam-bahoaka, fa tsy ny tombotsoan’ny mpanao politika, raha hizotra amin’io làlana io tokoa !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT