Edito

Edito Trosa lovain-jafy


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Nankalazaina nanomboka ny taona 2009 ary mandraka ankehitriny ny fampandrosoana lovain-jafy. Maro ireo atrikasa efa tontosa hahatongavana tamin’izany hatramin’ny taona 2015 saingy tsy hita ny vokany teto amin’ny firenena.

Ankehitriny dia miandrandra izay ho vokany hatramin’ny taona 2022 indray ny rehetra saingy efa mahakivy sahady ny maheno fiezahana ny hampanadino izany amin’ny alalan’ilay vina malaza lazaina fa hotratrarina ny taona 2030. Mety fitaovana natao hanakonana izany koa aza angamba ireo karazam-bina sy tetikasa hafa an’ireo mpisehatra politika ankoatra ny an’ny mpitondra ankehitriny izay efa misy entina mitety faritra mihitsy ny sasany. Rehefa miara-mizotra amin’ny raharaham-pirenena anefa ny olom-pirenena tsirairay dia tsapa fa tsy taratra na dia kely akory aza ny fampandrosoana tokony ho nolovain’ny zafintsika eto amin’ity nosy maitso navela ho mena ity fa miha miditra amina trosa lovain-jafy marobe izay ireharehan’ny mpitondra isika ankehitriny. Fa inona moa ny FEC raha tsy trosa miantona ho antsika ihany kanefa dia hankalazaina ery fa antoka hamitana fotodrafitrasa maro ? Eo ny an’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar, ny an’ny Jirama, ny an’ny Vondrona Eoropeanina, ny an’ny Banky Afrikanina misahana ny Fampandrosoana izay santionany fotsiny ihany ary na nolazaina fa tsy hamerenam-bola aza dia aiza koa no hisy lalàn’ny tolotra sy tinady tsy hisy resaka tambiny izany ? Enga anie mba tsy ho tara ny fandraisan’izay mahatsiaro ny tenany ho tompon’andraikitra ny andraikiny manoloana izao « fanadontoloana » na « safobemantsina » mandaitra be eto amin’ny firenena izao !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT