Edito

Edito Tontolo samy hafa


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Milamina ny firenentsika, hoy ny filohan’ny CENI omaly. Zava-dehibe ny nahafahantsika nametraka tontolo tony, hoy kosa ny filohan’ny HCC.

 

Maro kosa angamba no taitra izay naheno sy namakafaka ireo fehezanteny tsy dia nifanalavitra nambarana olona miisa roa manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ireo. Mbola voamarina ny filazan’ny namana mpanao gazety teo aloha iray izay hoe tontolo samy hafa mihitsy no misy ny mpitondra sy ny entina. Filazana iray mifandraika amin’izay koa ilay hoe mifanalavitra loatra ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary ankehitriny dia efa miha foana ny fisian’ny atao hoe fari-piainana antonony na “classe moyenne”. Ity fitondrana ity ve azo antenaina hamerina izany tokoa ? Fampanantenany izany ka irariana mba ho vitany tsy arahan-dromoromo. Vita tokoa ny fifidianana ary tafapetraka ny andrim-panjakana rehetra. Ho an’ireo maro an’isa kosa dia iaraha-mahalala fa nitombo ny fahasahiranana. Tsy azo odiana tsy hita ireo mpiray tanindrazana maherin’ny 90.000 isa traboina vokatry ny andro ratsy sy ny ho fiantraikan’ny lalana tapaka amin’ny vidim-piainana atsy ho atsy. Io koa izao fa efa samy mihoron-koditra i Afrika iray manontolo manoloana ny fiparitak’ity areti-mandoza malaza eran-tany ity ary ny firenena Malagasy dia voasokajy ho marefo sy ahiana indrindra manoloana izany. Ny fampianarana izay antoky ny hoavin’ny taranaka faramandimby koa io misavoritaka lava manomboka amin’ny fototra ka hatramin’ny ambaratonga ambony. Raikitra ny fitokonana amin’ny tsy fahafaliana. Manoloana izany anefa dia misy sahy milaza sy manambara fa tafiditra ao anatina tontolo tony isika ary milamina ny tany. Ankona ho azy ianao maheno azy !

J. Mirija

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT