EDITO

Tapi-dalan-kaleha !


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Tsy manenji-dresy na hitehaka amin’ny fahavoazan’ny mpitondra ankehitriny,

fa kosa miharihary sy tsy hay saronana intsony ny tsy fahombiazana. Tsy fitondrana mpamaha olona sy mpampandroso no misy eto, fa mpitondra tsy mahavaha olana sy mpilalao saim-bahoaka, tsy manana fanetren-tena,… Manao politikan’ny gisalahy mangala-ketsa ka ny efa manao ny tsy mety no mahay vava ! Fady ny miaiky ny tsy fahombiazana sy manetry tena hoe : diso izahay, fa mbola mitady hirika lava hanilihana, hanaovana fampitahana tsy mitombina, eny fa tsy menatra mihitsy aza ny olona ambony sasany mbola mandainga ankitsirano,… Mbola sahy hilaza ve ny mpitondra eo anatrehan’izao zava-misy izao fa tena mandeha sy miodina ny tokoa ny toekerana ? Mbola sahy hiteny fa ampy ny hoenti-manana ara-bola hoenti-mamaha ny olana ara-toekerana sy ara-tsosialy misy ? Mbola sahy manitrikitrika fa ampy ny volam-panjakana ary tena miditra ny vola vahiny kanefa ny 1euro efa misanda 5000Ar ankehitriny ? Ireny efa midina an-dalambe ireny ny vahoaka eo anatrehan’ny delestazy mandavan-taona, ka asa holazaina ho merseneran’iza sy ampiasain’iza indray ! Ny basy aman-tafondro angamba no homanina sy hamafisina, fa raha izay hiaiky ny tsy fahombiazana izay ka hanaja tena dia mbola ririnina. Efa mikatso tanteraka ny Firenena, tapi-dalan-kaleha ny mpitondra, saingy minia midingin-drambo hatrany. Na ny Malagasy aza io iaraha-mahita io, fa tsy vitan’ny Fanjakana intsony ny miahy azy mba hanana fiainana tsara kokoa, fihariana milamina kokoa, asa mahavelon-tena,… hany ka ny Mpamatsy vola sisa no manolotra vahaolana « paracétamol » ka mety manala kely ny fanaintainana roa na telo andro fa tsy mahaisotra ny fahantrana areti-mikiky ny Firenena. Io indray anefa no lalaovina sy atao fitaovana hanakonana ny tsy fahombiazana zavon-tany. Mila mifoha ny Malagasy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT