Nalaza ho be sinema efa hatramin’izay Isika malagasy. Ireo mpisehatra politika vaventy eto Madagasikara no tena havanana indrindra amin’izany.
Mety efa nisy mpilalao sarimihetsika ihany angamba tany aloha fa tsy dia tena matihanina loatra ka tsy tena hita niharihary toy ny ankehitriny ny zava-bitany. Nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty kosa dia indramina kely ny voambolan’ny filoha lefitry ny CENI izay entina hilazana azy hoe « manomboka efa zatra ». Efa nisy an’izany baomba tsy nipoaka izany teto, andro maro nifanesy ary na ry zareo be kintana aza niaiky mihitsy hoe mba andefaso ny manampahaizanareo ho aty aminay izahay fa haingam-piasa ny tekinisianina malagasy. Mandrak’ankehitriny io kilalao kibaombabaomba io dia mbola mahavita manakorontana saim-bahoaka foana kanefa matetika tsy nisy nirefotra fa nitsefotra fotsiny ny ankavitsiany. Ny mahagaga dia tamin’ny fotoana tokony ho naha mailo indrindra sy nilana ireny tena matihanina ireny, toy ny fianianan’ny filoham-pirenena sy fetim-pirenena 2013, ohatra, dia tsy voasoroka ny tena fipoahana. Tato aoriana moa dia ny tantara indray miseho indray no lasa lamaody. Misy tolona sendikaly miainga dia miara-manainga ny azy daholo. Ny mahagaga anefa dia miara-mijanona daholo ihany koa. Tsy mety tafajabaka ny tena mpandrehitra sy mpamono afo fa ireo izay tena mafana fo hatrany no voa mafy rehefa mifarana ny « horonantsary ». Tsy vitan’ny mahay milalao sarimihetsika isika fa mbola mahay mamarana izany amin’ny fomba hafakely hatrany ihany koa. Ny tena mpilalao fototra anefa tsy mba mikarama be toa an-dry zareo any Holliwood fa sady efa voa mafy no mbola manary ny an-tanana koa. Ireo mpanoratra sy mpanatontosa kosa dia matavy dia matavy. Iny izao omaly dia indray niseho indray ny tantara niainga teny Ankorondrano nizotra nankeny amin’ny CENI sy ny tantara nitranga teny amin’ny fitsarana ambony Anosy. Asa indray izay hiafaran’ity tantara ity sy izay mpilalao fototra ho lasibany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.