Edito Tafahoatra!

Tafahoatra! Izay no azo ilazana ny tsy fanjariam-piainana misy eto amin’ny firenena ankehitriny?


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

hatramin’ny taona 2019 izay. Asa moa izany aminy hoe rahoviana no tokony hanome tsiny? Iza na iza avy ihany koa no tokony omena tsiny raha izao iaraha-miaina izao ankehitriny ny zava-misy eto amin’ity firenena ity? Vary efa lo, efa norarahana solika satria hodorana, no hita tamin’ny sary niparitaka omaly hoe indreo fa mbola misy malagasy maro mitangorona handeha hitsimpona an’ilay izy. Mangotingotika daholo moa ny fon’izay nahita izany sary izany. Asa kosa hoe manao ahoana no mba any an-dohan’ireo mpitondra izao firenena izao rehefa mahita sary tena hoe maizina tahaka ireny? Mitombo indray izany ny endrika isehoan’ny malagasy atao hoe mitsinjoka sy mihinam-pako satria izany izy efa hoe vary lo sy saika hodorana, efa maimbo solika kanefa dia mbola nokafirian’ireo malagasy iray tanindrazana amin’ny tena ihany. Marary ny miheritreritra an’izany ho an’ny olona tena mbola malagasy tokoa. Ny mpitsinjoka zaoridira hatramin’ny repoblika faharoa efa teo ary voalaza fa nitombo aza. Toy izany koa ireo mpatory an-dalana sy rehefa malagasy voalaza fadiranovana eto amin’ity firenena ity. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny samihafa. Mifamono ho faty mihitsy sy sasany amin’ireo mpiray tanàna, eny, iray tokantrano, raha tsy hilaza afa-tsy ny tranga vao hita omaly tao Ambovombe sy Ambohimangakely fotsiny. Efa hita miharihary izao fa kianja tototry ny bozaka ringidringitra sy voalaza fa feno fenitra maro tsy voahaja. Kianja navaozina nandaniana 77 tapitrisa Euro nefa hatramin’izao mbola tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena ihany. Ny an’olona nefa nandaniana 80 tapitrisa Euro ary kianja vao namboarina fa mamiratra ery. Inona izany izao no tokony hidiran’ny fampitahana ny kianjaben’i Mahamasina fahiny sy io kianja io ihany saingy navaozina ary mbola tsy manara-penitra ankehitriny? Mbola tokony ho arovana ihany ve ny fandaniana volam-bahoaka amin’ny endriny maro eto amin’ity firenena ity nefa tsy zarizary toy izany hatrany no vokany? Eo io resaka kianja io, ny resaka lalana, ny manara-pofona lazaina fa manara-penitra isan-karazany sy ny maro hafa tsy voatanisa. Lava dia lava ny lisitra ary tsy ho atonona ny pejy raha tohizana saingy izay angamba no mahafehy azy. Tafahoatra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT