Edito

Edito Sokafy ny maso !


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Nivalona iny ny taona 2018. Arahabaina isika rehetra izay nahatafita azy iny.

 

 

Hotsaroana hatrany kosa ireo izay heverina fa nahavita ny adidiny ka dia nalain’ny Tompony any ankoatra mba handray ny valim-pitia tandrify azy avy. Ireo mbola velon’aina dia samy nanana ny fomba niainany iny taona vao nivalona iny avokoa. Tantely amam-bahona ny fiainana, hoy ny fitenenana. Anisan’ny nanamarika indrindra ny fiainam-pirenena kosa ny fifidianana, indrindra ny hosoka tafahoatra nampitolagaga izao tontolo izao nitranga tao anatin’izany izay nosantarina tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny sabotsy 29 desambra 2018 ny fanehoana ampahibemaso ny fandavana azy. Toy ny trangam-pifidianana filoham-pirenena fahita eto amin’izao tontolo izao, izay tsy hifanomezan-tsiny, moa dia tsy maintsy misy foana ilay antsoina hoe “mpomba”. Voambolana izay hita ho manimba toetsaina ihany koa satria toy ny mametraka sary ao ambadika izany hoe na aiza na aiza omban’ilay tohanana dia tsy maintsy harahina foana na inona na inona ataony. Na dia miharihary aza fa nolaniana tamin’ny halatra dia ombana anjambany ihany. Maha te hanolo-kevitra izany hoe sao dia tokony ho voambolana hafa no handikana ilay teny frantsay hoe “partisants”? Sao dia tokony hoe “mpanaradia” na hoe “mpanohana”, ohatra ? Satria moa Kristianina ny ankamaroan’ny Malagasy ka tsy hay ny tsy ho lasa saina manoloana ireo teny ao amin’ny Baiboly sy hira Kristianina maro izay mirary hoe “Homba anao anie Jehovah na Jesoa”. Mampametra-panontaniana hoe sao dia tokony ho anjaran’Andriamanitra ihany izany fa mampivaralila sy manampina ny mason’ny olombelona ny filingiligiana  ka hahatonga ilay antsoina hoe “fanatisma” na fanarahana an-jambany anatin’ny olom-pirenena iray ? Antenaina sy iriana fa ho taona hisokafan’ny mason’ny Malagasy rehetra na ara-tsaina na ara-panahy ity 2019 ity ka samy hahita fa tolona ho an’ny fahamarinana sy fitsinjovana ny ho avy amin’izay iny natomboka tamin’ny 29 desambra iny fa tsy misy idiran’ny resaka 25 sy 13 intsony ka hihamaro hatrany ireo hanatevin-daharana azy manomboka anio. Ny hafatra, araka izany, dia hoe sokafy ny maso!

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT