Edito

Edito Soa fa teo ny Omby !


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Mafy ny Omby ! Mafy ilay Barea ! Santionany amin’ireo horakoraky ny vahoaka Malagasy izany satria dia tsy mbola nisy toa an’iny omaly iny teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy.

 

 

Soa fa teo ny omby nanova ny tantaram-pirenena. Ny marimarina kokoa dia nanova ny tantaran’ny mpanjakan’ny fanatanjahantena Malagasy. Ny irariana anefa aloha dia aoka mba izay tena mendrika ny hotolorana izay fankasitrahana izay no hotolorana azy fa tsy hotaingenana zavatra hafa indray ilay fahombiazana efa natsiro dia natsiro. Ny iaraha-mahalala aloha hatreto dia tsy nahavita ny adidiny ireo solontena Malagasy nasaina namerina ireo nosy manodidina. Mbola miandry ny fihaonana faharoa hatao atsy Frantsa. Ny dikan’izay dia mahazo mifaly amin’ny fandresena omaly izy ireo saingy tokony hahatsiaro hatrany kosa fa mila mahazo vokatra toy ny Omby koa raha te hahazo oby. Mbola miaina ao anaty fahantrana ny vahoaka Malagasy. Mahazo mifaly amin’ny fandresena omaly koa izay mahatsiaro tena fa tokony hanova io tantara momba ny sosialim-bahoaka io saingy tokony hahatsiaro mandrakariva fa miandry azy ny adidy mikasika izay fanarenana ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena eto amin’ny firenena izay. Heverina fa efa, ohatra, lehibe ny nasehon’ny Barea izay na dia tao anatin’ny harerahana tanteraka aza dia mbola nahavita nahita fandresena mavesatra toy ireny. Toy ny vazivazy zaritenany ihany angamba ny filazana hoe soa fa teo ny Omby na ny Barea nanome lesona ny rehetra hahay hiara-mirona sy hifamelona fa tsy hifanararaotra sy hifanambaka eto amin’ity firenena ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT