Edito

Edito Sisa tsy rava


  • Alatsinainy 13 Martsa 2017

Ela nitolona isika hahazo ny fahafahana sy fahaleovantena. Hotsaroana ato ho ato ny faha-70 taonan’ny 29 martsa 1947

. Ny mampalahelo anefa, hatramin’izao dia mbola miteraka adihevitra foana rehefa tonga io tsingerin-taona io hoe fankalazana no tokony hatao sa fahatsiarovana ? Miara-manaiky kosa anefa ny rehetra fa tsy nitondra voka-tsoa ho an’ny fampandrosoam-pirenena ny tamin’ny martsa 1947. Rava ny fotodrafitrasa sy fotodrafitr’olona marobe kanefa dia ran’ny maritiora ana hetsiny no latsaka. Miha potika ny kolontsaina, mitotongana ny toekarena ary na ny fitantanana ny firenena aza tsy mandeha amin’ny laoniny. Ny fahapotehana nateraky ny rivodoza nifanesy moa tsy lazaina intsony fa dia zary manarina izay azo harenina sisa no fandaharan’asan’ny mpitondra. Enga anie tsy ho rava ny fanantenan’ny olom-pirenena fa mba ho sisa tsy rava kosa.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT