Anisan’ny olana fototra naverimberin’ireo teknisianina sy manampahaizana ho sakan’ny fampandrosoana ny firenena hatramin’izay ny tsy fisian’ny fitoizan’asa na « continuité de l’Etat ».
Ny zavatra tsikaritra, na misy aza dia amin’ny ampahany ihany saingy ny famitana hatramin’ny farany izay heverina ho tsara nokasain’ny teo aloha ho tontosa dia zary nofy sy takon’ny likiliky politika hatrany. Notohizana ny tetikasa momba ny lalana natomboky ny teo aloha, ohatra, satria efa tomombana ny famatsiana ary heritreretina ho afaka manatsara ny sarin’ny mpitondra ankehitriny ny fanatontosana azy. Raha aravona dia lasa kajikajy politika hatrany no mandeha alohan’ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Vaovao nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny fitsanganana hotely iray lehibe kintana 5 teny Ivandry ary toy ny efa nanitsiana azo tao anatin’ny herintaona moa dia mbola naverin’ny fitondram-panjakana ihany ilay voambolana hoe “sambany”. Sambany indray, hono, no nisy hotely goavambe kintana 5 toa an’io. Fa inona moa izany ilay miorina eny Ivato, ohatra? Sa ve tamin’ny fotoam-pitondran’ny mpifaninana politika amin’ny tena no nanorenana azy dia adaboka any aloha ny momba iny fa aleo manorina vaovao hatrany mba ho tsangambaton’ny fandalovan’ny tena teo amin’ny fitarihana ny firenena ? Tsy sasatry ny manarina sy manorina isika raha resaka fotodrafitrasa tsy miantraika mivantana any amin’ny aty vilanin’ny vahoaka sy ny fampandrosoam-pirenena, hany ka tsy sasatry ny mitotongana sy midaraboka foana ny sosialim-bahoaka sy ny laharana eo anivon’izao tontolo izao. Tsizarizary ny fitsaboana amin’ireo hopitaly efa teo. Ny hanangana hopitaly manara-penitra tsy ampy fitaovana sy mpitsabo no vahaolana hita. Io koa izao ny olana eo amin’ny fampianarana fototra sy ambony. Ny hanorina EPP sy Oniversite manara-penitra no mahamaika kanefa ny mpampianatra aza vitsy dia vitsy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.