Edito

Edito Samy Malagasy


  • Talata 17 Oktobra 2017

Nampihetsi-po ny maro ny famerenana ilay hira « Samy malagasy » nandritry ny fanomezam-boninahitra farany an’ny Profesora Zafy Albert tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly.

Noraisiny ho toy ny fanevan’ny fampihavanana fony fahavelony ity hira ity, raha ny fitantaran’ny mpiara-mitolona aminy tamin’ny fotoan’androny. « … Na samy hafa tany fiaviana na tsy mitovy foto-pinoana, samy malagasy… ka mifankatiava… », hoy ny tononkira. Antenaina fa tsy ho kisendrasendra ny fifanandrifian’ny fahalasanan’ity nalaza ho Rain’ny Fihavanana ity tamin’ny fahalanian’ny filoha vaovao hitantana indray ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena (CFM) ankehitriny miaraka amin’ireo birao hitantana izany. Mety hahakely finoana ny maro ihany ny trangan-javatra misy amin’izao fotoana toy ny fisomparana ny mpandraharaha malagasy miseho miharihary ankehitriny, saingy ny hirariana dia ny hisokafan’ny masom-panahin’ny tsirairay ka ho tonga saina fa samy malagasy tokony hifamelona sy hihavana fa tsy sanatria hiha hifamono sy hifandrafy hatrany toy izay miseho ankehitriny !

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT