Edito

Edito Samy mahay kobaka


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Omaly no andro voalohany nahafahan’ireo te ho lasa filoham-pirenena rehetra nametraka ny dosie mameno ny fepetra maha kandida handray anjara amin’ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena azy avy teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 Raha ny zava-nitranga no nojerena dia hita ho samy mahay kobaka avokoa ny rehetra satria dia samy maika ny hilaza azy ho isan’ny kandida tao anatin’ny volana maromaro mialoha ny hisian’izao fisokafam-pisoratan’anarana izao. Efa nampoizin’ny mpanara-baovao sy mpamakafaka politika ihany kosa ny hetsika nataon’ilay namaky lay izay fanaterana antontan-taratasy izay voalohany omaly saingy naharevo ireo babon’ny seho ivelany ihany anefa. Hainy ny nampilendalenda, hainy ny nampifila, saingy toy ny mahazatra dia hainy ny mampirevy sy mampifaly amin’ny fotoana tsy ampoizina. Tsy izy irery, tsy ireo irery anefa no mahay kobaka araka ny voalazan’ny mpihirahira rehefa dinihina fa samy mahay kobaka daholo hatramin’ilay mpihira raha mandinika ny fizotry ny santam-pandresen-dahatr’izy ireo ankehitriny. Mahagaga ve no hilazana azy sa mampahonena sa mahasorena koa ny mahita sy mahare fa kandida izay heverina ho mpivoy ny maha olona indrindra ary fatra-panindraindra foto-kevitra mialoha ny vola no miara-malaza amin’ireo mpanao politika sy kandida hafa voaloto koa ankehitriny fa efa nahavita nanambaka madinika, toy ny mpianatra, ary sahy tsy mandoa trosan’olona ? Samy hotsarain’ny tantara daholo anefa ary misy farany ny zava-drehetra ka anjaran’ny vahoaka sy ny vato alatsany no mailo sy mametra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT