Edito

Edito Rivo-baovao !


  • Zoma 19 Jolay 2019

Asa aloha ny fahitantsika mpanara-baovao azy fa saika samy nilokaloka ny hitondra rivo-baovao eny anivon’ny antenimieram-pirenena eny daholo fony vao lany ireto solombavambahoaka vaovao ireto.

 Ity ve no tonga amin’ilay fomba fanontany ankehitriny hoe samy manana ny rivo-baovaony io sa tena izao mitranga izao tokoa no atao hoe rivo-baovao ? Hodisoina ve ireo mpanao politika sy mpandinika raharaham-pirenena sahy nilaza hatry ny omaly fa maha ratsy endrika antsika eo anivon’ny sehatra iraisampirenena ireny 100% nifanesy teny anivon’ity andrim-panjakana voalaza ity ireny ? Tena azo antoka ve fa fanoherana tena izy fa tsy sarintsariny no hitranga ary azo antenaina ihany koa ve ny hisian’ny fifandanja-kery ao anatin’ity andrim-panjakana iray ity ? Afaka manome fanazavana sy fiarovantena daholo izay mankato iny zava-nitranga iny saingy ny bainga voavadika ihany no vavolombelon’ny asa, hoy ny Ntaolo,  ary heverina ho mifanandrify indrindra ihany koa amin’izao faha 6 volana nisian’ity fitondrana ity izao izany. Aiza ho aiza ihany koa ny fanatanterahan’andriamatoa filoha ireo vina nampanantenainy ? Sa   singa hanakonana ny tsy fahatontosan’izany vaovao koa ity resaka antenimiera ity ? Fehiny dia hoe izao fiovana izao tokoa ve hitondra rivo-baovao mahasoa sa vao mainka hahavoa ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT