Edito

Edito Reraka ambony ihany!


  • Alakamisy 02 Jolay 2020

Tsy mitsahatry ny mitombo avo roa heny ny tarehimarika ofisialy vaovao momba ireo mararin’ny COVID 19 eto Madagasikara. Mitombo ihany koa ny isan’ny maty.

 

 

Tarehimarika izay mampametra-panontani­ana ihany koa anefa, anaty fononteny, hoe sao dia mba misy ambadika politika, araka ilay fomba filazan’ny olona sasany azy tokoa? Firy andro nisesy moa izay no nilazana fa saika eto Antananarivo hatrany ny maro tamin’ireo marary vaovao ary tokana monja foana no avy any amin’ny toeran-kafa? Sao dia noho ny fanambarana matetika nataon’ilay solombavambahoaka iray ao Toamasina iny tokoa ary no tena nahabetsaka ny tranga tao tamin’ireny fotoana ireny? Toa noho ny nangingina ity farany dia nivadika taty an-drenivohitra tampoka indray ny basy, hoy ny fitenin-jatovo izay? Mbola maro ny fanontaniana manitikitika ny saina ankoatran’ireo manoloana izao raharaha izao saingy araky ny maha fononteny azy dia aleo aloha hajanona hatreo. Ny hirariana aza dia ny hoe enga anie mba ho diso izay eritreritra izay! Etsy ankilany moa dia mipetraka eo an-dohan’ny mpanara-baovao mandrakariva ny fanontaniana hoe hanao ahoana ny rahampitso? Mba afaka manantena tarehimarika midina amin’izay ve? Tarehimarika tena marina sy ara-pahasalamana fa tsy politika sanatria? Rahoviana ihany no mba ho vitsy na tsy hisy intsony mihitsy ny marary vaovao fa ireo sitrana no tena hirongatra ny isany? Samy mirary izany daholo ny rehetra raha mbola tia tanindrazana ihany koa ary inoana fa diso tanteraka ny fiheverana fa misy firehana Malagasy izay tsy mankasitraka izany hoe Madagasikara ho afaka amin’ity areti-mandoza malaza ity sy izay areti-mandoza hafa rehetra tafaraka aminy amin’izao fotoana izao. Mahatsiaro ho reraka ambony ihany ny ankamaroan’ny olompirenena matoa sahy mitsikera. Niaraha-nahatsiahy fa azo nosorohana ny fidiran’ity aretina ity teto. Tsy olona 1 sy 2 no efa nanao antsoantso ny hanidiana mialoha ny firenena fa maro saingy efa rano raraka moa ka ny hirariana dia mba samy hahay hifampihaino amin’izay.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT