EDITO

Rehefa ny lohany matsantso!


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Miha potika andro aman’alina ny fiarahamonina sy ny fiainam-pirenena !

Saika ny zava-dratsy no mameno sy mibahan-toerana amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Sanatria mitady handresy ny mazava ve ny maizina ? Herisetra, tsy fandriampahalemana, vono olona mahatsiravina, fanalam-baraka amin’ny tambajotran-tserasera, kolikoly, vidim-piainana midangana,… no hany mibahan-toerana. Olom-bitsy sisa no tsy mikolay sy minia manapi-maso amin’izao zavatra iainana izao. Mitambatra sy mifameno ny zava-drehetra ary izany no hanamafisana foana hoe : miainga avy any ambony ny ohatra, ka rehefa mivaralila hatrany an-tampony toy mivilana hatrany ambany, araka ilay fanoharana nentin’Itompokolay Monja Jaona niainga tamin’ny bokotr’akanjo. Rehefa ny lohany izany hoe : ny mpitondra no matsatso, rehefa avy any no miainga ny ohatra ratsy,… dia miharatsy sy miha potika manaraka izany ny Firenena. Inona tokoa moa no ho zava-banona ao anaty fahefana sy fitantanana niainga tamin’ny herisetra sy rà latsaka, miorina amin’ny herin’ny vola sy ny basy aman-tafondro, tsy misy arofanina fa hitsin-dàlana lava no hitondrana firenena,… ? Tsy resaka fankahalana mpitondra, fa ny tena mpitarika na « leader » dia mipetraka ho ohatra tsara amin’ny tarihina, mahavita mitondra fiovana mahomby hita taratra amin’ny fiarahamonina sy Firenena, to teny sy filamatra amin’ny fitondran-tena sy fitantanana vahoaka, mahay mihaino sy manana fanetren-tena, manaja ny olona entiny na eo aza ny voninahitra tsy hita pesimpesinina fa tsy manao politikan’ny « lehibe tsy mba meloka», mahalala ny tena mahasoa ny vahoaka tarihiny,… Rehefa hitan’ny olona fa mandeha ho azy ny fanarahan-dia, tsy mila manjono vahoaka, tsy mila mampiasa vola sy basy akory,… Moa mba izany ve no eto ? Toa mbola nofy ririnina hatreto !?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT