Edito Rahoviana vao ho tsaboina?

Miroso amin’ny fitotonganana hatrany ankehitriny


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

ny fiarahamonina malagasy rehefa mijery ny tsy fanjariana amin’ny

endriny rehetra saika miseho isan’andro eto amin’ity firenena ity. Tsy maha rototra ny manao tsinontsinona ny aina, raha ny lafiny fandriampahalemana no ambara. Ny fokonolona tsy rototra manapatapa-tanana an’ireo dahalo. Ny dahalo rahateo moa zary efa lasa manao lamaody ity manendaka voamaso ity ary dia tsy voatery ho maso solon’ny maso, araka ilay voasoratra anaty Baiboly Kristianina, intsony izany izy ity fa mety sady ho solon’ny maso no solon’ny tanana no solon’ny loha ihany koa, araka ireny efa hita am-bolana vitsivitsy ireny sahady. Zandrikely vao 22 taona izao farany teo dia hoe nahavita nisoloky 4 tapitrisa Ariary be izao ny mpampiasa azy. Ny sasany ao anaty fahatanorany no manolana olona, izay efa sady zazavavy no mbola manana fahasembanana ihany koa. Fanontaniana mipetraka eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny moa amin’izao fotoana ny hoe fa maninona ary isika mpiara-monina ankehitriny no lasa mora tezitra sy tsy tohinina? Tahatahaka izany kosa ve moa no endri-piarahamonina misy eto amin’ilay firenena ankehitriny? Mbola manampy trotraka, ankilan’izay, ny fofona tsy zaka amin’ny fako misavovona sy ny tatatra tsentsina. Raha tsy mifanambaka dia mifampisoloky hatraty ambany ka hatrany an-tampony. Rahoviana vao ho tsaboina izany rehetra izany? Endri-pitantanana ny firenena tahaka izao hitantsika izao ve, eny, rafitra tahaka izao hitantsika izao ve mety hahavaha izany olana rehetra izany ihany indray androany, raha toa ka tao anatin’ny 15 taona latsaka kely izany izao tsy nety nahitana vokatra niabo na teo amin’ny lafiny politika io na toekarena na sosialy, indrindra, moa fa fanabeazana? Fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT