Edito

Edito Odiaina no ilaina


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Tsaroan’ny rehetra tsara angamba fa ny banky foiben’i Madagasikara mihitsy no nanizingizina raha vao nivoaka ilay 20.000 ariary tokana iny hoe ireo mpandraharaha vaventy ihany no natao hikirakira ny vola tahaka ireny.

 Inona akory no teo fa dia teny am-pelatanan’ireo mpandraharaha noheverina faran’izay madinika indrindra sy ny vahoaka tsy mandady harona, herinandro taorian’ny nivoahany, raha nisy dia nisy. Iza moa no mpahay toekarena no tsy nilaza fa mariky ny fidinan’ny sandam-bola ao amin’ny firenena iray ny fiitaran’ny ravimbola tahaka itony saingy dia mbola notohizan’ny mpitondra toy ny mahazatra azy ihany ny fitadiavana fanazavana efa hita fa  tsy mitombina mba hanamarinana izany ? Efa faratampony tamin’ny porofon’ny tsy fitiavan’ny vahoaka intsony ny fitondrana misy no niseho nanomboka tamin’ilay diabe nolazaina fa manandratra indray maka iry kanefa dia mbola mikiry ny milaza ihany ny mpitondra fa mety ny ataony hatramin’izao. Tsy mba azo inoana mihitsy ve ny handre fanetren-tena na dia kely aza amin’ireo mpitondra ka hiaiky fa tena tsy hivoaka samirery ny baolina ka tokony homeny ny hafa indray ? Raha tsy mbola nigadona akory izao fitondrana izao no efa nalaza be fa ny hohanina anio tadiavina rahampitso. Dia inona no azo tenenina ao anatin’izao fitondrana nampihemotra antsika ho firenena 5 mahantra indrindra izao ? Velona ihany fa mitsipozipozy sisa ity Ramalagasy ka iza re no mba hanome odiaina azy fa izay tokoa izao no tena ilainy e e ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT