Na ho lany rora aza dia aleo ihany miala nenina manoloana ireo mbola minia manakorontana ny saina amam-panahy ary vatan’ny Malagasy tsirairay ao anatin’izao raharaham-pirenena antoky ny ho avin’i Madagasikara izao.
Nivaly tamin’ny fomba ofisialy iny ny fifidianana. Samy nanana ny fandraisany azy ny rehetra. Mety itoviana ny fahitana hoe sarisary efa nandalo teto amin’ny firenena ihany izao miverina mitranga ankehitriny izao. Mety ho fanamarinana ny famakafakan’ny mpamakafaka hoe niandry fifanandrinana eo amin’ny mpanongana sy ny voaongana toy ny tamin’izany fotoana indray ve ny Malagasy ireny nitranga teny Ambohidahy omaly ireny ? Mbola samy manana ny fomba fijeriny avy koa ny tsirairay mikasika izay. Mety hisy ny hamaly eny. Mety ao koa ireo mbola hilaza fa tsy nangarahara iny valim-pifidianana iny ka tokony hofoanana. Ny zava-dehibe tsy azo lavina sy mila tandremantsika Malagasy fatratra hatrany aloha dia mila misoroka izay mety ho tranga na fomba fiteny sy fihetsika mety hiteraka fifandonana sy savorovoro ao anatin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao isika. Mba ho filoham-pirenena voafidy tamim-pilaminana sy fahatoniana farafaharatsiny no hipetraka eo. Mila tandremana foana fa ny ratsy akory tsy kely lalana. Tsy vita akory ny lanonana tao amin’ny HCC dia efa feno fifandrangitana sahady ny tambajotran-tserasera. Mandeha daholo ity fifanaratsiana rehetra ity. Mampahatsiahy vazivazy zaritenany iray izay hoe : “Ny jeneraly no mila ady nefa ny vatatay foana no maty an’ady”ny zava-nitranga teto amin’ny firenena saingy mbola mitady tsy hahay haka lesona ihany isika. Mahita tory hatrany ve ireny mpamboly adim-poko sy fisaraham-bazana ireny na atao hoe nokaramaina aza ? Anjaran’ny rehetra no mieritreritra na mbola ho sodokan’ny azo anio ho hanina anio na mba hahay hitsinjo ny ampitso sy ny hoavin’ny taranaka amin’izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.