Edito

Edito Ny firenena no resy


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

5 andro izay no vita ny fifidianana. Ao anatin’ny fiandrasana izay mety ho valin’izany ny rehetra ankehitriny.

 

 

Raha ny zava-misy no jerena dia tsy niova fa mbola ny fomba amam-panao hatrizay, izay tsy hita izay vokany ankoatra ny fahantrana lalina, ihany no mbola mahatamana antsika mianakavy. Mitohy ny fifampihantsiana sy ny fifandrangitana isan-karazany na eny anaty fiarahamonina eny izany, indrindra any anaty tambajotran-tserasera. Ireo mitaky ny hivoahan’ny fahamarinana barabaraina ho tsy mahazaka resy. Iaraha-mahita izao anefa fa na ny mpikarakara ilay fifidianana aza miaiky hatrany fa maro ny tsy fahatomombanana. Ny mahagaga dia maro amintsika Malagasy izay samy miara-miaina ny fivarinan’ny fiainam-pirenena ankehitriny no mbola mihevitra hatrany fa rehefa lany na nolaniana tamin’ny fifidianana ny kandida notohanany dia izay no atao hoe fandresen’ny firenena na fandresen’ny vahoaka. Fa dia nahoana loatra ary isika no mbola fohy fisainana sy tsy mety manakatra mihitsy fa miisa 25 tapitrisa mahery izany vahoaka Malagasy izany ? Ny fisintahan’ny maro an’isa sy tsy fiasaný saina intsony amin’ny raharaham-pireneny toy ny mitranga ankehitriny dia tsy ho fandresena velively fa mainka aza loza mitatao ho an’ny firenena. Ny firenena no resy ankehitriny ary tokony hahatsapa izany daholo ny rehetra na mpitondra na entina na ireo kandida ho lasa ben’ny tanàna sy mpanolotsaina sy ny mpifaninana tamin’ízy ireo. Rehefa tsy misy mahatsapa izay aloha isika fa hosamatsamahan’ny firehana politika lava eto dia ho nofy foana ny fampandrosoana satria ho nofy koa ny firaisankina ary mety ho izay angamba vao ho rava tanteraka koa, sanatria, izany fihavanana nampalaza antsika izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT