EDITO

Ny fahefana atao rapa-dango, ny vokatra poakaty…


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Teny miverina matetika amin’ny kabarin’Atoa Andry Rajoelina ny fanasokajiana ireo tsy mitovy hevitra sy firehana

politika aminy mitondra tsikera na mampaneno lakolosy ho « misakana fandrosoana », « misintona midina ny firenena »,… Niverina indray io tao anatin’ny lanonan-tserasera momba ny « Autoroute ». Fomba firesaka nentina tamin’ny propagandy ankolaka ihany io hoe : mila depiote mahay miara-miasa aminy fa tsy ireo manohitra sy misakana fandrosoana. Ny mpanohitra no olana sa ny fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaiza-mijery ny tena mahasoa ny vahoaka ? Feno ny fepetra rehetra ahafahan’ny fitondrana Rajoelina mampandroso ny firenena raha ara-politika, fa matoa toy izao isika dia noho ny tsy fahaizany. Ny Antenimierampirenena na ny teo aloha na ny ankehitriny izay vao lany nanaovana ny tsy fanao mihitsy aza dia ny manana ny maro an’isa hatrany ny volomboasary. Ny tao anatiny aza anefa no isan’ny nitsipaka ny governemanta noho ny tsy fahombiazany ka nahatonga ilay sonia 105 tamin’ny desambra 2022. Ny antenimierandoholona azy ny 98%, ny governemanta malalaka izy amin’ny fametrahana ireo mpitantana ary raha misy ny tsindritsindry dia olana ao anatiny eo amin’ny filoha sy ireo matretre manodidina azy,… Ny rafitra rehetra toy ny HCC, CENI, Bianco, HCDDED,… aza mbola misy fahefany sy dian-tànany. Dia mbola ny mpanohitra sy ireo tsy mitovy fijery amin’ny Fanjakana ihany ve no homena tsiny ho misintona midina sy misakana ny fampandrosoan’ny firenena eo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ? Ny mpanohitra no mahatonga antsika ho firenena faha-124 amin’ny 125 amin’ny hanoanana kanefa ny Filoham-pirenena nirehareha ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ? Ny mpanohitra no nitondra no nampiakatra ny tahan’ny fahantrana 7% isan-jato tao anatin’ny 5 taona farany ka efa any amin’ny 80,7% ny Malagasy fadiranovana, ny 72,5% amin’ny Malagasy miaina ambanin’ny 4000Ar isan’andro, ny 60% miaina ambanin’ny 2750Ar isan’andro,… Ny orinasam-panjakana tapitra potika sy banky ropitra ary nisy maty mihitsy aza: Air Madagascar, Jirama, SECREN,… Resahana isaky miodina, toy ny omaly fa hafainganina ny hafainganam-pandeha hampandrosoana ny firenena, saingy ny sary mitranga aloha, dia tena mitombo ny hafainganam-pandehan’ny fahantrana sy fahasahiranan’ny Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana. Raha ampitahaina amin’ny baolina kitra izay malaza ankehitriny dia « penalty » tsy misy « goal » ny an’ny mpitondra saingy tsy matiny ny baolina!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT