Edito

Edito Nitsimbadika ambony ambany


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Ory hava-manana sy faly havana ory, hono, isika malagasy amin’izao ankehitriny izao raha toa ka tia fihavanana sy mahay miara-miory teo aloha.

 

 

Raha mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena tokoa, indrindra, fa ireo tato ho ato dia mahalasa eritreritra ihany ny maheno fomba fijery toy izany. Tsy fandriampahalemana no mitranga. Vono olona feno habibiana ary eo no tena mampametra-panontaniana hoe fa dia saina aman’eritreritra natao ahoana loatra no lasa feno fitiavana hanao ratsy kisampontsampona sy mampivarahontsana toy ireny ? Zazavavy 11 taona naolana. Notatahana ny fivaviany. Etsy an-kilany koa avy eo dia heno, raiamandrenibe efa voky taona, mpitondra fivavahana no nisy nanolana. Ny resaka hoe nokapaina amin’ny famaky sy ny hoe notetitetehana moa dia efa ao anaty fiarahamonina Malagasy ankehitriny intsony. Hajanona hatreo iny fa hiverenana hatrany ny hoe tsy mahagaga raha mbola lalim-paka tahaka izao ny fahantran’ity firenena ity sy ny ankamaroan’ireo vahoaka ao aminy. Efa nofy sisa ankehitriny izany hahita tanora hanome toerana raiamandreny anaty fitateram-bahoaka izany. Na misy aza angamba dia faran’izay mahalana. Ny fahasahiana mivaona amin’ny soatoavina mitranga eran’ny arabe koa manginy fotsiny. Fifanambakana no hita eny an-tsena ary mibahan-toerana toy izany ihany koa ny endrika fisolokiana isan-karazany na avo lenta io na iva lenta. Izany hoe ilay kolontsaina sy soatoavina nanabe mihitsy no efa lasa nitsimbadika ambony ambany. Ny fihavanana niova ho fifandrafiana. Ny fifamelomana niova ho fifamonoana ary ny firaisankina, hoy ry zareo eo anivon’ny CFM izay, efa resin’ny vola. Manana asa miandry hita ho miha mafy koa aloha ireto farany manoloana izany zava-misy rehetra izany fa na izay na tsy izay aza dia tonga amin’ilay fitenenana hoe biby tsy manan-doha tsy mandeha io. Tsy maintsy ny avy any ambony hatrany no filamatra ho an’ny aty ambany ka dia alao hery, hoy ny fiteny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT