Edito

Edito Nipoitra daholo !


  • Talata 09 Jolay 2019

Nipoitra daholo ankehitriny fa hay misy fitiavan-tanindrazana natory ihany tao anatin’ny malagasy tao. Heverina fa mendrika ny hisaorana indrindra noho izany ireo izay namoha azy io.

 

Saika isan-kerinandro tato ho ato dia fety be miezinezina foana no natrehana manerana ny nosy. Fety izay tsy nisy fikarakarana na fanomanana mazava kanefa dia mahagaga fa tonga lafatra foana ary mahatonga ny mpiray tanindrazana hiray hina sy hifampizara fifaliana. Na ireo nampandraiketin’ny fitondram-panjakana ny raharaha hahafahana mampihavana ny Malagasy aza miaiky fa hay mahay miombom-po ihany ireto ondriny nozarazarain’ny mpanao politika ireto. Ny hirariana moa dia ny mba hitondran’izao fotoan-dehibe ho an’ny voninahi-pirenena izao tokoa fisokafan-tsaina eo amin’ny samy mpiray tanindrazana ka mba hitombo ny Malagasy tsy hanaiky ho zarazarain’ny firehana politika intsony fa mba hahay hiady hevitra ao anatin’ny fo tony sy hitera-bahaolana. Mba tsy ho afaka volana vitsivitsy aorian’io fisandratantsika Malagasy any Ejipta io dia hiverina indray ny fifanenjehana politika sy ny politikan’ny fanararaotam-pahefana izay tsy nitsahatra nampimenomenona ireo mpisehatra politika sy mpanara-baovao Malagasy an-taonany maro.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT