Io ary ilay nandrasana. Naniry zaza isika Malagasy ankehitriny ka tera-dahy.
Maro ireo fampanantenana nataony nandritry ny fampielezan-keviny ary mbola nohamafisiny ny sabotsy teo. Dia samy hitsara isika rehetra. Samy ho faly raha to ireo fampanantenana natao ka ho tody hatrany am-bilany. Ny hirariana dia tsy hisy hanenina amin’ny safidiny ny tsirairay na dia somary hafahafa ihany aza ny zava-niseho hatramin’ny 8 janoary 2019. Fa naninona ny lanitr’i Gasikara no nitomany hatrany na tamin’ilay fanambarana tetsy Ambohidahy na tamin’ilay fianianana tetsy Mahamasina ? Fa naninona no mbola nisy loza nitranga koa teo akaiky teo ? Mampahatsiahy ny tamin’ny 5 taona lasa. Asa na tsy mbola ho diso fanantenana amin’izao izay nifidy ny filoham-pirenena vaovao. Nampoizin’izy ireo ve fa ho sambany amin’ny filoha rehetra hianiana tsy hampiasa tandindona toy ny baiboly ity filoham-pirenena nomeny ny vatony ity ? Efa nampoiziny ihany koa ve fa handingana ny teny hoe Andriananahary izy ao anatin’ny fianianany ? Mametraka adihevitra maro ankehitriny ny momba ny fampiharana ny “laicité de l’Etat”. Eo ihany koa anefa ny tsy fanajana lalàmpanorenana sy ny antoka tsy maintsy hanovana izany sahady na dia efa nohirahiraina nanomboka ny taona 2010 no ho nankaty aza fa tsy azo ovana. Notendrena omaly ny praiminisitra ary ny teo ihany no teo. Toa mampitombina ny fanambaran’ny mpanao politika sy mpandinika raharaham-pirenena maro izay milaza fa tsy mbola misy firenena eto. Nahoana tokoa moa ny an’ireo firenen-kafa malaza amin’ny fampanjakana ny demokrasia no naharitra an-jatony taona mahery avokoa ny lalàmpanorenany ? Fa maninona ny antsika no tsy maintsy misy miova rehefa vaovao ny repoblika ? Iza marina no hery tsy hita maso natahoran’ny filoham-pirenena vaovao nianianany tamin’ny sabotsy ? Ny hirariana dia enga anie ny hamisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.