Edito

Edito Nahita sary


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Vao nanomboka dia tao ny vato nikodia nandratrana sy namoizana ain’olona maro.

 

 

Niara-dalana tamin’izany koa ny karazam-bato be avy any an-dranomasina nakarin’ny tondra-drano. Tsy voavaha fa niampy aza ny olan’ny delestazy. Maina ny tanety. Miha ritra ny rano. Tsy mitombin-doha ary feno fitaintainan-dava ny vahoaka Malagasy miatrika ny andavanandrom-piainany ankehitriny. Ny resaka solika ity tsy hay ny hiafarany. Marary ny fanabeazana. Manomboka eny amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony any. Heverina fa tsy diso angamba ny filazana fa tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe nahita sary isika tao anatin’izao fitondrana izao. Iza ary no afaka hanaporofo amin’ireo sahy milaza fa tsy mandalo krizy goavana ny firenena amin’izao fotoana izao ? Samy tsikaritra ho tsy tomombana avokoa ny lafiny fitantanana na politika, ny sosialy, ny toekarena, ny tontolo iainana ankapobeny mihitsy, ny fanabeazana sy kolontsaina, araka ilay efa voalaza teo. Isan’andro  dia mampametra-panontaniana hatrany ny hoavin’ity firenena ity. Hanao ahoana marina ? Sanatria ve dia ho tanteraka ilay nambarana kandida ho filoham-pirenena iray izay hoe handova dezaka ny taranaka faramandimby ? Toa na efa an-tenda, araka ny fitenenana, aza ny ranombary dia zary gina sy tsy afa-mihetsika ny rehetra. Efa tononkira an-taonany maro moa ny hoe mila ovana ny rafitra na koa hoe mila fanarenana sy fanorenana ifotony isika. Na mpitondra na mpanohitra, rehefa mpanao politika sy mpandray anjara amin’ny raharaha misy eto amin’ny firenena dia efa samy niteny izany avokoa saingy aiza ary izay fanorenana na fanarenana sy fanovana marina manoloana ireny sary efa hita ireny ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT