Edito

Edito Na fofony aza !


  • Talata 21 Mey 2019

Ny ahiana dia ny fisantarana 58 taom-pietrena indray ao anatin’izao fitondrana izao raha ny fizotry ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny no jerena.

 

 

Tsy mbola hita manangasanga hatreto ilay fiovana na fisandratana ho any amin’ny tsara lavitra nampanantenaina nandritry ny fampielezan-kevitry ny filoham-pirenena. Na fofony aza tsy heno hatreto. Asa na noheverina ho adaladala ihany ilay kajikajy tsotsotran’ny mpanara-baovao hatrany am-boalohany hoe hizara 5 ny taona 58 kanefa dia voatery hanao ezaka mifanakaikikaiky amin’izany ny fitondrana ankehitriny raha tena tiany tokoa ny ho tody any amin’ny tanjona iriany. Ny zava-misy anefa, raha ny hita tato anatin’ny fampielezan-kevitra fotsiny dia toa mainka fihemorana amin’ny lafin-javatra maro no tazana fa tsy fandrosoana akory. Manao fampielezan-kevitra an-kolaka ny filoham-pirenena sy mpitondra sasantsasany. Miha mafy ny tsy fahazakan’ny olom-pirenena demokrasia ary raha ny fijoroana vavolombelon’ireo lasibatra sasany aza dia misy kandida ahiahiana mihitsy ho ambadiky ny fikasihan-tanana mpifaninana. Miverina koa izany ny tsy fanajana sonia natao toy ny tany Maputo sy ny tariny, raha idirana kely ny mikasika ilay antsoina hoe “Toky nomena” izay nasaina nosoniavin’ireo kandida ho depiote tato ho ato. Tsy misy afa-tsy ny olana ara-moraly aloha anefa ireo. Toe-tsaina toy izany ve dia azo hifampitokisana hiaraha-miasa amin’izao fitondrana izao ? Ny fototra iaingana aza tsy tomombana ka ahoana moa no ahafahana miara-manarina an’i Madagasikara marina ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT