Edito Na famantarana fotsiny aza!

Na famantarana fotsiny aza hoe io fa mamaha olana marina ilay fitondrana


  • Talata 01 Oktobra 2024

dia tena andrasan’ny maro fatratra mihitsy izany amin’izao fotoana izao!

Na dia sombontsombiny aza, hoy ny hiran’ny mpanankato nanana ny lazany izay. Toa ny fanazavana efa heno tamin’ny 5 taona lasa ihany no mbola heno sy ampahafantarina 5 taona aty aoriana? Ny tarehimarika ihany angamba no mba misy kely fiovana. Dia tena tsy nisy mihitsy, na dia ampahany ihany aza, vahaolana hita ve tao anatin’izay 5 taona izay? Lafiny famatsiana angovo izay hiankinan’ny fiodin’ny toekaren’ny olompirenena sy sosialim-bahoaka maro iny saingy mitoetra hatrany koa izay fanontaniana izay ho an’ireo sehatra hafa. Na hiresaka orinasam-panjakana koa aza moa izany isika amin’izao fotoana izao dia io JIRAMA io irery sisa no azo ambara hoe akanga sisa nanamborana. Efa maty tany aloha tany ny SIRAMA, ny SOLIMA, ny TELMA lasan’ny sehatra tsy miankina sy ny hafa marobe. Inona izany izao, ohatra, no tombony tamin’ny fitsaharan’ny fiaraha-miasa tamin’ny norvezianina tamin’ny andron’ny FIFAMANOR tao Antsirabe? Ankehitriny dia mifandimby miha potika koa ny Air Madagascar, ny Madagascar Airlines, nefa vao hoe hanoloana izany Air Madagascar izany, ny Kraomita malagasy. Ny orinasa tena an’ny fanjakana fahizay potika sy rava, ny sehatra tsy miankina heverina fa hahazo alalana mora foana, toy ny Madagascar Oil, hanampy hamaha ny olana misy nefa hatramin’izao mampametra-panontaniana hoe efa mba avela hiasa an-kalalahana ve?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT