Edito

Edito Mitohy ny iraka…


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Samy manana ny fandraisany sy famakiany ny firafitry ny governemanta vaovao ny rehetra. Ny nisongadina aloha dia minisitra 2 ihany no tsy niala tamin’ny toerany.

 

 

 Mbola misongadina lavitra mihoatra izay anefa ny praiminisitra. Mifanindran-dalana amin’izay sy mby ao an-tsain’ny maro voalohany ny resaka fifidianana satria dia mbola ilay CENI sy HCC efa teo ihany koa no mbola eo. Ny 90%-n’ny fanahiana sy fandalinan’ny maro hatreto dia hoe mitohy ny iraka. Tonga amin’ilay famazivaziana ny tenina filoham-pirenena iray izay hoe  tsy manova ekipa mpandresy isika (on ne change pas une équipe qui gagne). Tamin’ity lasa hoe tsy azo atao ny manova ekipa nampandresy (on ne change pas une équipe qui nous a fait gagner). Sarotra ny hino fa mariky ny fahatokisany ny olony loatra no antony mbola namerenany nanendrena ireto ekipa nampandresy azy tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ireto. Efa eo am-pikarakarana ny andiany manaraka amin’ny fifidianana indray moa ankehitriny ny eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Hanao ahoana indray no paikady maloto hipoitra amin’io fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna io ? Heverina fa fifidianana manakaiky vahoaka avokoa ireto manaraka ireto kanefa ilaina hatrany ny fahamailoana fa ny ratsy tsy kely lalana, hoy ny fitenenana. Handrandraina hatrany ihany koa amin’izao fiatombohan’ny tohin’ny repoblika fahefatra izao ny hisiana rivotra politika vaovao taorian’ireny fihetsika feno fandeferana nasehon’ilay kandida noresena tamin’ny 8 janoary teo ireny. Mbola nanamafy io kandida io fa anton’ny fandeferany ny hahatongavana amin’ny tena fihavanana marina. Ny hirariana dia ny tsy hiverenan’ny hoso-pifidianana nahavalalanina nitranga nandritry ny fifaninanana ho filoham-pirenena intsony. Enga anie mba ho ilay tombana faharoa nomena taha 10% monja teo no hitombina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT