Edito

Edito Mitohy ny fiainana


  • Zoma 08 Novambra 2019

Lasa ary napetraka any amin’ny toerana tokony hisy azy farany indray iny ny andrarezin’ny kanto malagasy sy fiarahamonina iray.

 

 

Efa fantatray ny nataonay, hoy ilay rahalahy ara-mozikany ao amin’ny tarika iray izay, rehefa nahatsapa fa namela mamy ho an’ny taranaka sy ny tantaran’i Madagasikara izy ireo. “Groupe mythique” na hoe tarika naman’ny efa harem-pirenena mihitsy no hahafantaran’izao tontolo izao ny tarika Mahaleo raha ny fanasokajian’ny haino aman-jery iraisampirenena iray azy vao tsy ela izay. Azo lazaina ho mahafehy ny fiarahamonina sy ny tantaran’i Madagasikara iray manontolo mihitsy ny hiran’ny tarika ary hatramina vahaolana tokony hampiharina hivoahana amin’izao lavaka misy antsika izao aza dia  heno any anatin’ireo kanton-dry zalahy. Ny mampalahelo anefa, na lasan-ko razana aza ny antsasamanilan’ireo mpikambana izay nandrafitra izany nanomboka tany amin’ny taona 1972 dia mbola najanontsika sy ireo mpitondra antsika ho hira fotsiny ihany izy ireny. Efa ela no nipetraka ny fanontaniana momba an’i Bemolanga saingy tsy mbola tonga ankehitriny. Ny vaovao farany miely momba aza dia mitady ho lasan’ireo vahiny io toerana misy harena solika io. Tsy hivalamparana intsony ny amin’izay fa ny mandinika dia anjaran’ny tsirairay, indrindra ireo mpanapa-kevitra eto amin’ity tany sy firenena ity. Mitohy ny fiainana ho antsika rehetra izay mbola tafajanona eto. Hijanona amin’ny fomba mahazatra izay tsy nahomby hatramin’izay ve sa handinika ireo lesoka efa napetraky ny tantara ka hahay hanitsy ny ho avy amin’izay ? Tsaroana ny fehezan-tenin’ny filoham-pirenena fony izy mbola kandida raha niady hevitra tamin’ny mpifanandrina aminy ary nilaza hoe “ny an’ny filoha Ravalomanana dia ny lasa foana no jereny !”. Tsy ho vita mihitsy anefa ny fanatsarana ny ho avy raha tsy fantatra sy tadidy ny tsy nety natao tamin’ny lasa. Asakasak’izay tsy hanarina sy hanitsy ny lasany ! 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT