Edito

Edito Mitady mangarahara hatrany !


  • Zoma 31 Janoary 2020

Miampy indray ny fanontaniana. Tsy mijanona intsony amin’ny “contrat programme”

 

 

sy ny antony nitazonana ireo mpikambana sasany teo aloha sy ny antony nanesorana ny sasany intsony indray izao fa lasa miampy hoe tena ireo tokoa ve no “atidoha” aminy sa nahay nisolelaka ? Ity fanontaniana farany ity moa dia apetraka amin’ireo mpikamban’ny governemanta efa teo fa mbola notazonina. Nisy tamin’izy ireo ihany tsinona no niharana tsikera mivaivay ary tsy nisalasalana ny nanala azy tamin’ny toerany fa ny sasany niaraha-nahita izao ny tsy firindran’ny fomba fiasan’izy ireo fa dia mbola nametrahan’ny filoham-pirenena fitokisana hatrany ankehitriny. Inoana fa mitady mangarahara hatrany ny ankamaroan’ny Malagasy liana amin’ny raharaham-pirenena sy miandrandra ny fanavotan’ireo mpitondra azy ny firenena. Tena ny diplaoma mipoapoaka tokoa ve no ilaina sa ny fahalalana ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fototr’izany ? Praograma napetraky ny filoham-pirenena moa ilay hoe hotanterahana ary isaorana ireo minisitra sasany miezaka mampahatsiahy ny ankapoben’izany eny amin’ny rindrin’ny tambajotrany eny. Nanaitra, ohatra, ny lafiny fanabeazana satria dia tsy mifanalavitra na mitovy amin’ny tetikasa famerimberin’ny teo aloha ihany no mbola kasain’ilay vaovao hatao. Tena resy lahatra amin’izay paika izay ve ity mpandimby toerana ity sa baiko ka tsy maintsy tanterahana ? Inona no antony hiantsoana azy hoe “cerveau” na “atidoha”, araka ilay nolazaina fa “notsongolohana” tokoa, raha toa ka hanaraka am-bokony izay baiko omena azy fotsiny ? Sa ve hijanona hatreo amin’ilay hoe mahay mamaly ny fanontaniana izay hapetraka aminy ihany ? Raha tsiahivina, indrindra ho an’ireo minisitera novana ny mpitantana azy, dia nisy fahatarana tao mikasika ny praograma tokony hotanterahany ka anjaran’ilay mpandimby azy no manenjika mamita ny tsy vita sady manatanteraka ny praograma vaovao ihany koa. Tsy ny hahita paika hahafahana manatanteraka vetivety izany ve no ilana ilay “atidoha”?     

J. Mirija

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT