Misy raha tokoa, arak’ilay fandaharana tamina fahitalavitra fahiny izay, « la terre ».
Mbola miverimberina sy mihalohalo ao an-dohan’ireo izay nahatsiahy ihany angamba izao ilay fanontaniana napetraky ny filohana fikambanana mpitahiry fomban-drazana iray izay hoe mbola hanana ny toerany eto ve ny Malagasy raha mitady haka toerana ankehitriny ny vahiny ? Lasa saina ny mpanara-baovao ary dia mandeha any anaty tambajotra isan-karazany any ny fanontaniana hoe ndrao ary ity aretina malaza miparitaka etsy sy eroa ankehitriny ity dia nisy ninia nanaparitaka mihitsy handripahana ny malagasy ? Aretina efa tamin’ny taonjato faha 18 no mbola tonga teto tamin’ny taonjato faha 20 ary vao maika mirongatra amin’ny taonjato faha 21 aty. Isan’ny fanontaniana efa nipetraka ihany koa hoe naninona no tany amin’ny volana aogositra no fantatra fa nisy ity aretina malaza ity teto kanefa dia efa lasalasa ny volana septambra vao nisy ny fanambarana ofisialy ? Tsy hafahafa ve izany ? Dia sanatriavina tokoa anie ka ho diso ilay eritreritra hoe atsy ho atsy dia tamingana malagasy sisa tafajanona eto ary haondrana any anaty valanjavaboarin’ireo tany manan-karena any am-pitandranomasina any mba hataon’ireo firenen-kafa vakoka mampiroboroboany ny fizahantaniny. Sanatria anie izany fa ny irariana dia mba ho tonga saina ara-potoana isika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.