Edito

Edito Mirary fialantsasatra mamy


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Inona intsony moa no azo ambara fa dia mbola miala sasatra, hono, aloha izany ny praiminisitra sy ny governemantany koa!? Amin’ny faha 5 janoary 2022 any ho any indray, hono, aloha miresaka.

 Mirary fialantsasatra mamy ho azy ireo araka izany raha toa ka mampandry saina azy izao tranga miseho eto amin’ny firenena mamarana ny taona izao. Asa na tena izay tokoa moa ilay drafitra na noho ny anton-javatra hafa! Isan’ny fanamarihan’ny mpanara-baovao, ohatra, ny mikasika ilay volamena 49kg tra-tehaka farany teo indray tatsy Kaomoro hoe hanao ahoana ny tohiny saingy mbola vakansy moa ny praiminisitra izay nisolo toerana ny minisitra tokony ho tomponandraikitra amin’izany. Misy faritra eto Antananarivo efa ho tontolo andro maninjitra tsy misy jiro saingy vakansy koa ny minisitra tomponandraikitra amin’izany. Ny zava-misy any amin’ireo faritra hafa ivelan’Antananarivo izany aloha dia tsy hay ho vinaniana hoe manao ahoana raha toa ka ny eto an-drenivohitra aza izany no zava-misy? Na ny fiarahamonina aza tsikaritra ho efa miha tsy tam-pihetsika izany intsony mba tsy hilazana hoe miha bibibiby loha. Ahoana moa no hiheritreretana hoe vadina mpitaiza fanahim-bahoaka no hahavita hanala sofin’olona sy hanatanataka tarehin’olon-kafa heveriny fa manao ratsy azy? Ekena fa fiteny ny hoe “rafozan-doza” saingy na tahaka ny inona aza fahalozana, heverina fa efa mihoatra ny loha kosa angamba izany fahasahiana mitoraka malao sy mively kibay lohan’olona izany. Mbola tranga hafa iray ankoatran’ilay resaka vadina pasitera teo koa io. Marobe ny tranga tahaka izany tato ho ato ary misy tena mampivarahontsana lavitra aza toy ny hoe mitetika olona imason’ny olona akaiky azy sy ny hafa. Taratry ny fahantrana sy fijaliana mihoam-pampana ary rarin-tsaina mitady tsy ho voafehy intsony izany rehetra izany. Ny kere efa eo. Ny tsy fahampian’ny rotsak’orana koa miha mafy sy mbola eo. Ny fidangan’ny vidim-piainana eo. Ny jiro sy rano mampijaly. Izany rehetra izany miampy izay mbola manahirana hafa ny olompirenena marobe any ambadika any izany dia ireny fa niarahantsika naheno laza omaly fa mbola hahasahian’ireo mpitondra antsika miala sasatra ihany fa tsy hitadiavana fomba hahafahana mamaha azy haingana sy maharitra avy hatrany. Eny ary tompoko! Mirary fialantsasatra mamy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT