Edito

Edito Mipoitra tsikelikely


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Mipoitra tsikelikely ihany ny tandindon’izay mety ho fizotry ny fifidianana hatrehina amin’io taona ho avy io ary na dia hita ho samy miezaka manao izay

 mety hahafantaran’ireo olom-pirenena tsirairay avy ny fisiany aza aloha ireo rehetra mikasa ny ho kandida dia miezaka mafy manakona azy ireny kosa ny antokon’ny fitondrana sy ireo mpanara-dia azy ao anatiny ao. Efa teo ny fanakanana antoko matanjaka tsy hankalaza ny tsingerintaona nahaterahany nanerana ny faritra. Nanara-dia izany ny fikasana hikitika lalàm-panorenana amin’izao ora farany izao. Ny hetsi-panoherana rehetra nokasain’ireo mpanatanteraka izany ho atao moa dia nampiharana antsojay avokoa ary farany teo dia niaraha-nahita fa ny teo anivon’ny tontolon’ny fitsarana aza dia nisy savorovoro sy herisetra nitranga. Tokony havela hiasa am-pitoniana, hono, aloha ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka malagasy. Mankato io fiaraha-miasa io anefa ve ny vahoaka maro an’isa ary iza no tena mahazo tombony ao anatiny ? Sao dia ny mpitondra no miha voky sy miha bolangina fa ireo vahoaka miha mitrongy vao homana ? Firy isan-jaton’ny fihetsiketsehana natao teto moa no nomena alalana ? Tany demokratika tokoa ve i Madagasikara ? Santionana fanontaniana ihany ireo ahafahan’ny mpitondra mandinika ny tena tokony hataony manoloana ny zava-miseho. Inona indray koa izany izao no ho ao ambadik’ity hoe firosoana amin’ny fanalana ireo mari-drefin’onjampeo tsy ara-dalàna ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT