Fitakiana fialana praiminisitra, fitakiana fialana filoham-pirenena, kolikoly, horonantsary sy sary mamoafady, lalàna nolaniana an-terisetra.
Ireo dimy ireo amin’ny ankapobeny raha fintinina ny zava-nisongadina teo anivon’ny antenimieram-pirenena Malagasy tao anatin’izay 5 taona niasan’ireo parlemanteran’i Tsimbazaza. Mipetraka ho tantara, hoy ny iray tamin’izy ireo omaly, ny zava-nitranga tety. Dia mipetraka ho tantara tokoa moa izany, araka izay voalazan’ity depiote niaiky fa misy fanatsarana tokony hatao eo amin’ny fanajana ny lalàna eny amin’ny antenimieram-pirenena ity izay iny fiainana teny Tsimbazaza nandritry ny 5 taona iny. Sarotra ny hilaza fa filamatra teto ambonin’ny tany ny fiarahamonin’ireo depiotentsika tao anatin’iny fitondrana lasa teo iny. Na mbola hampitahaina amin’ny samy afrikanina aza tsy azo lazaina izany. Ny rehetra dia miara-miaiky fa nahamenatra ny firenena ny ankamaroan’ny zava-nitranga teny. Tokony ho andry lehibe iankinan’ny fiainam-pirenena tokoa ny solombavambahoaka na tarafina amin’ny anarana fiantsoana azy izay fotsiny aza saingy anjaran’ireo vahoaka nosoloin’izy ireny vava no mandinika sy mitsara ary mamaly na tena nahavita ny adidiny izy na tsia. Hatramin’ny fotoana farany niasany, mba nisy lalàna tena mahasoa ny vahoaka nolanian’ireto depiotentsika ho teo aloha atsy ho atsy ireto ve ? Mahasoa antsika tokoa ve raha ny manana ny fahefana mpanao lalàna ihany no manapa-kevitra koa avy eo ? Tsy holazaina intsony ny resaka sata mifehy ny fifandraisana na ny “code de communication” sy ny tariny niteraka resabe tamin’ny fotoan’androny. Misy hotsakotsakoina sy hodinidinihin’ny valalabemandry ireny rehetra ireny saingy indrisy anefa hatramin’izao fa mbola fanontaniana mipetraka hatrany tokoa ny hoe “Rahoviana ihany lahy vao valala be mifoha ?”. Efa ho 40 taona mahery io fanontaniana io fa hatramin’izao tsy voavaly. Miara-dalana aminy koa ny fanontaniana hafa toy ilay hoe mankaiza ireny omby halatra ireny ? Mbola mipetraka ho baraingo hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.