Edito Miodina ka miodina!

Miodina ka miodina tsy hita hoe ho aiza hatreto ity firenena ity?


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Maro ireo efa very fanantenana. Am-bolana mihitsy izao no zary tsy nifantoka afa-tsy tamin’ny hoe kandida miisa 11,

kandida tsy manana zom-pirenena malagasy intsony, mpanao politika maro nivaro-panahy ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Izao izany dia mifantoka sa afantoka aty amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena aty indray ny saina aman’eritreritr’ireo mbola najanona ho valalabemandry an-taonany maro? Ho azo ny alalana hamory olona ao sa tsia? Raha ny sarisary miseho aloha dia toa tsy mahagaga raha ho lavin’ny manam-pahefana toy ny efa hita hatrizay indray izany. Etsy ankilany dia mandeha ny mandeha, hoy ilay fomba fiteny efa nalaza elaela ihany izay. Nolavina ny fitorian’ireo kandida ho filoham-pirenena maro izay mitsipaka ny fandraisan’anjarana kandida hafa firenena amin’izy ireo. Miha takona ihany koa ny resaka mikasika fanapahan-kevitra nanomezana fahefana ny governemanta hitondra vonjimaika ity firenena ity, raha toa ka tokony noraisin’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny fahefana. Dila mihitsy ny resaka momba ireo tomponandraikitra ao amin’ny HCC sy CENI izay manana vady any amina andrim-panjakana hafa na koa efa nanana izany. Miodina ka miodina ihany ny zotra mankany amin’ny fanatanterahana ilay fifidianana mbola ifanolanan’ny andaniny sy ankilany ara-kevitra hatreto. Miha manatona nefa ny fotoana, hoy ny antoko politika iray izay. Mandeha foana ny antso avy amin’ny ankolafy samihafa ny amin’ny tokony hisian’ny fifampidinihana anaty fotoana faran’izay haingana indrindra saingy antso an’efitra hatramin’izao. Sanatria ho toy ny tamin’ny 2018 indray ve ny sarisary hitranga. Ho tonga any amin’ny antsoina hoe fifanarahana politika ihany saingy efa nikatso aloha izay nikatso ve? Iaraha-mahalala hatrany fa arakaraky ny fandroritana anaty fotoana maharitra ny disadisa politika no naha mafy kokoa ny krizy teto. Tantaram-pirenena neverina fa mba efa ho nakan’ny mpanao politika taty aoriana rehetra lesona izany saingy miodina ka miodina! Tsy hita mazava izay tena tanjon’ny 2 tonta. Ho an’ny vahoaka sa ho an’ny seza?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT