Edito

Edito Mila mianatra


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Kolontsainan’ny vola, ny seho ivelany, ny fifanindriana, ny fifaninanana ary miitatra any amin’ny fifanambakàna sy fifamonoana mihitsy aza.

 

 

 Ireo amin’ny ankapobeny no lasa kolontsaina raiki-tampisaka mamolavola ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ary zary fotoana mandalo saingy manabevoho izany, indrindra, tao anatin’ny 10 taona izay, ireo fifidianana notontosaina teto amin’ny firenena. Ny fianarana tokoa, hono, no lova tsara indrindra kanefa dia indrisy fa taiza tokoa moa no naha voavoly izany toetsaina rehetra izany tao anatintsika raha tsy nisy rivotra nampianatra azy ? Ny dikan’izany na dia ilaina ny mitandrina satria misy ny fianarana mitondra fivoarana sy fampandrosoana ary misy ireo mampivoatra ihany saingy tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe mampivoatra gaigy. Mila mianatra izany koa, araka izany, isika ary heverina fa tsy adala ny mpanao politika sady mpandraharaha, efa nahita fahombiazana amin’izany raha milaza fa hevitra sy fampandrosoana no ilaina eto amin’ny firenena ankehitriny fa tsy famitahana sy fanambakana amin’ny fizarana fitaovana hita maso tsy natao haharitra toy ny vola sy fanamiana na nofon-kena sy vary iray kapoaka rehefa propagandy. Mila mianatra miala amin’izany fomba mahazatra efa tsy nampandroso izany aloha isika mianakavy raha te hiarina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT