Edito

Edito Mila fijery vaovao !


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Misy amin’ireo mpanao politika no mihevitra fa miisa 3 ihany no lalana azo isafidianana izorana ahafahana mitondra anjara biriky ho amin’ny fampandrosoam-pirenena, indrindra moa, raha toa ka izay politika izay no resaka.

 

 

 Rehefa tsy mpanohana ianao dia na mpanohitra na afovoany izay antsoina hoe « centriste » sy « neutre ». fomba fijery izay heverina fa mila ovaina ihany satria hita ho tsy nampahomby ny tantaram-pirenena anefa izany fa saika nahatery ny sain’ny rehetra mihitsy hanjary tsy hanana fomba fijery mivelatra fa tokana monja na hoe « pensée unique ». Raha hanohana dia hanohana inona sa hanohana an’iza no fanontaniana tokony hipetraka ? Toy izany koa raha hanohitra. Inona marina no tena tiana hahatongavana amin’ilay hoe mijanona afovoany ary na koa hoe tsy an’ny atsy na an’ny aroa ? Noho ny fahitana izany anton-javatra rehetra izany ho matetika toy ny fako entin-driaka no heverina fa tokony hilazana amin’izay hoe mila fijery vaovao ny fahafahana mampandroso ity firenena ity. Ny tsy fananan-kevitra sy adihevitra manan-tanjona na hoe “objectif” foana no hita ho mahalany andro lava amin’ny atrikasa sy rafitra tsy mety mahomby teto amin’ny firenena. Hany ka lasa tsy mahatanty tsikeraina intsony ary tonga amin’ny fampiasana herisetra toy ireny niseho tamina mpampita vaovao sy olon-tsotra vao haingana ireny.

J. Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT