Edito

Edito Mila fanorenana tokoa !


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Sarotra ny asa miandry izay ho filoham-pirenena vaovao ho avy eo. Tsy azo lavina izany.

Na dia efa matetika aza ny fidradradradrana, farafaha keliny tao anatin’ny 2 taona, fa ny fanaovana politika eto amintsika mihitsy no mila fanavaozana ifotony dia tsy nipaka aloha na ny lesona na ny tolo-kevitra efa nandalo rehetra 2 taona taty aoriana. Lany andro fotsiny nanao atrikasa sy fikaonandoha marobe fa dia mbola mitohy ihany ny fampihariharian’ireo mpanao politika eto Madagasikara fa tsy misy hiraharahiana izay etika sy fanajana ny teny natao. Amin’ny maha hay fitantanana tanàna sy firenena ny atao hoe politika anefa dia tsy hisy na inona na inona ho vanona eto raha tsy tomombana aloha io tontolo iray io. Hatramin’ny sasany amin’ireo kandida ho filoham-pirenena tsy lany hanao fihodinana faharoa aza hita ho tsy menatra mivadi-dela akory ary tena tsikaritra ho tsy matotra ara-poto-kevitra. Vao 3 andro monja izay no nandeha ny fampielezankevitra dia efa izany sahady no tsikaritra. Aiza moa no ho azon’ny valalabemandry an-tsaina fa mila politika daholo ny lafin-javatra rehetra toy ny hoe politikan’ny fihariana raha hiresaka toekarena, politikam-pitantanana raha hiresaka fitantanana orinasa na firenena, politikam-panabeazana, politikan’ny kolontsaina sy ireo hafa maro tsy voatanisa. Mbola ezaka goavana no ahatongavana amin’ny fampatongavan-tsain’ny Malagasy iray manontolo raha izao hagegen’ny mpanao politika Malagasy izao no mbola ho fitarany eto. Mahagaga fa toa tsy mba nahamenatra antsika foana hatramin’izao ny hadalana hitan’izao tontolo izao toy ny fandaniana lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny karnem-pokontany sy ny kolikoly nalaza teny amin’ny antenimieram-pirenena farany teo. Manginy fotsiny ny sarina tomponandraiki-panjakana namoafady niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera maro fa dia mbola io mankafy manohy politikan’ady seza io hatrany. Mila fanorenana tokoa !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT