Edito

Edito Mihodinkodina


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Sesilany tamin’izany fotoana ny tsikera nahazo ny fitondrana teo aloha avy amin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny mikasika ireo tranga tsy ara-dalàna sy noheverina fa tsy mitondra soa ho an’ny vahoaka malagasy nafitsoky ny fitondrana HVM.

 

 

 Rehefa nandeha moa ny fifanoherana politika dia 5 taona ihany aloha iny ny fetran’ilay fitondrana nolazaina fa be kolikoly, be trafika, mpanodina ny lalàna araka izay tiany sy tsy mpanaja izany ary tsy nijery ny tombontsoam-bahoaka. Mbola iarahan’ny ankamaroan’ireo depiote eny Tsimbazaza hatramin’izao moa fa ventin’ny rano nantsakain’ireo depiote 73 na depioten’ny fiovana nitolona tamin’izany ny niafaran’ny fitondrana teo aloha. Niandrandra ny rehetra nanomboka teo fa dia hadio tanteraka amin’izay izany ny tontolo politika sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana rehetra kinanjo… !! Toa ny teo ihany no mihodinkodina ! Nampivanàka ny fisavovon’ny fitarainana sy fitoriana momba ny hoso-pifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Mampiady hevitra ary tsy mety vanona hatramin’izao ny momba ny sata mifehy ny mpanohitra. Vao haingana no heno fa mbola lavitra ezaka isika amin’ny resaka fanajana ny zon’olombelona kanefa dia iny nampihoron-koditra iny indray ny zava-nitranga tetsy Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo satria tsy vitan’ny imasom-bahoaka fa voaraki-tsary koa. Na ny naheno ny raharaha Antsakabary tamin’ny fotoanandrony aza angamba mbola zakan’ny saina kokoa noho ireny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT