Ekena fa firenena Kristianina isika ary tsy lavina fa teny ao amin’ny baiboly ny hoe miha ratsy izao fiainana izao.
Saingy na izany aza dia inoana kosa angamba fa tsy misy firenena voatokana tsy hahita ny anjara masoandrony mandrakizay izany. Miha ratsy ny fiainana maneran-tany fa tsy hoe firenena iray fotsiny. Mety voka-panadihadiana izay mamoaka tarehimarika ankapobeny ihany koa anefa no mamoaka izay fahasarotam-piainana eto amin’izao tontolo izao izay. Nahoana i Senegaly, Maorisy, Etiopia, Rwanda hatramin’I Kaomoro koa aza, izay firenena naka filamatra antsika teo aloha daholo, no manomboka misandratra amin’izao fotoana izao ? Isika izay nivoy io teny fisandratana io tato ho ato indray ity no toa mbola vao mainka mijotso ? Ratsy mihitsy ny tondro raha ny zava-nitranga tato ho ato no asian-teny ho an’ilay nosy lazaina fa afaka miavotra amin’ny harenany manokana antsoina hoe Madagasikara. Tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana ary misy faritra tsy nisian’izany teo aloha akory aza lasa mitaraina izao. Tsy nisy tranga tamin’ny fitondrana farany teo tsy miverina hita sahady indray ankehitriny. Io ny Ambalavelona, io koa ny fonja vaky. Mbola ny valifaty politika hatrany anefa no hita taratra ho laharam-pahamehana. Toa zary lasa tsy vaovao intsony ny maheno hoe minisitra teo aloha voarohirohy amin’ny raharaha andramena na tompon’andraiki-panjakana teo aloha sy izay mety ho fahavalo politikan’izao fitondrana izao hafa. Tsaroana tokoa ilay hoe hanadio ny ao anatiny taorian’ireo tsikera mivaivay mikasika izany tao ho ao saingy rehefa nojerena anefa dia kajikajy toy ny efa nahazatra ihany no nitranga. Iza moa ilay nolazaina fa mpiaradia amin’ny fitondrana voahenjika raha tsy efa niara-dia tamin’ny fitondrana teo aloha ihany saingy namadika ny palitaony kosa nony taty aoriana ? Tsy vitsy rahateo ireo mpanao politika nalaza ho be afera tamin’ny fotoan’androny no naka tahaka tamin’ny lalan’ity iray nadoboka ity ary ny nahagaga dia saika kandida ho solombavambahoaka amin’ny anaran’ny antoko miaradia amin’ny fitondrana ankehitriny. Asa aloha izay hitranga ato ho ato mandritr’ireo hetsi-pifidianana tsy ho ela fa dia izay tokoa angaha no tena hoe miha ratsy izao fiainana izao mba tsy hilazana hoe miha ratsy noho ny teo aloha ny tantara ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.