Na toy inona na toy inona fanazavana omen’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia tsy mety voafehy ny loza mitatao eto amin’ny firenena.
Miha midangana ny vidim-piainana ary tsy mety midina intsony ny solika. Mbola heno hatramin’izao fa distrika miisa 9 no ahitana trangana pesta kanefa manomboka ny fotoam-pahavaratra ary ahiana hiparitaka indray ny loto. Ny toetr’andro miha simba hatrany ary efa nilaza ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa mety hanahirana ny hifehy ny rotsak’orana amin’izao madiva hiafaran’ny taona izao. Ekena fa nisy ny fisamborana ireo vahiny niditra an-tsokosoko teto fa tao anatin’ny 2 andro monja dia efa nifanesy ireo teratany “Karana” voasambotra izay voalaza fa haverina amin’ny tany niaviany. Aiza ao anatin’izany ny fifehezan’ny mpitondra ny toe-draharaha mampidi-doza ny firenena ? Nahoana no nahita hirika nidirana teto ireny ? Ny mifehy vahoaka tsy hitroatra manoloana ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra ihany ve no hain’ireo mpitondra antsika ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.