Edito

Edito Mifamatotra daholo


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Mitotongana ny fiainam-pirenena ary hita ho lojika sy mifamatotra daholo ny zava-mitranga rehetra fa tsy misy tokoa, araka ilay nambaran’ny filoham-pirenena hatry ny ela ny kisendrasendra.

 

 

 Fiainana mamirapiratra no nandrandraina tao anatin’ny herintaona kinanjo mitombo ny fahoriana amin’ny fitadiavan-drano any atsimo. Ny tantsaha mihorohoro andro aman’alina. Ho tototra sa tsy ho tototra ny tanimbariny. Ho rava koa sa tsy ho rava ny trano fonenany. Ny tsy fandriampahalemana moa dia io miverina miha mahazo vahana io indray ary manomboka te hitroatra mafy ny vahoaka, raha tsy hilaza fotsiny ny zava-nitranga tany Ambilobe farany teo. Samy mametra-panontaniana daholo ankehitriny ny ankamaroan’ny mpanara-baovao hoe fa ahoana ihany ary no tsy mety miainga ilay lamasinina haingam-pandeha hatramin’izao ? Tsy tonga tampoka ve ny famatsiana ka aleon’ny fitondrana malagasy mijoro mitady zavatra hafa atao ? Ao anatin’ny praogramam-panjakana ve ohatra ireny fandokolokoana vakoka teny Andohalo ireny ? Ny tsikera mikasika ny hoe fitondrana tsy manaja vakoka moa dia efa hatramin’ny 10 taona lasa saingy toy ny rano atondraka an-damosin’ny gana lalandava ka angamba tsy dia ilana firesahana be intsony fa sady mandany rora no mandany ranomainty. Irariana foana na izany aza mba ho tafita any amin’izay tokony hiantefany ny tsikera nandeha rehetra mba hahafahany na hahafahan’izy ireo manitsy ny diany. An-daniny, ankehitriny, raha hita ho tsy mandeha araka ny nantenaina taminy ny raharaham-pirenena sy ny afitsoky ny mpitondra dia hita ho manaraka akaiky ny raharaham-pirenena Malagasy ary liana amin’izany koa anefa ny sehatra iraisam-pirenena sy ny firenena vahiny maro. Heverina fa tsy kisendrasendra no nahavoafidy ny filoham-pirenena malagasy iray teo aloha ho amina toerana ambony eo anivon’ny vondrona afrikanina. Toy izany koa ity fandalovan’ny minisitra frantsay eto Madagasikara ity. Mety tsy kisendrasendra toy izany koa ny fahafahana vonjimaika nomena mpandraharaha iray mitonona ho iraky ny firenena mikambana vao tsy ela izay. Mbola samy mametra-panontaniana mikasika izay tena antony ny rehetra fa inoana ihany koa anefa fa matoa tsy mety tafavoaka isika hatramin’izao dia mifamatotra daholo izay azo atao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT