Edito

Edito Miaritra kely !


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

« Izay mahari-pery no izy. Izay miaritra ihany no tafa. Miaritra no tompondaka.

 

 

 Tompondaka mandidy manjaka. Izay miharitra ihany no izy. Miharitra kely dia omby. Omby be tsy zakan’ialahy satria omby mifahy.” Izay ilay hira. Inoana fa na ahoana vokatra hitranga rahalina dia efa tompondaka tokoa ao am-pon’ny Malagasy tia tanindrazana rehetra ny Barean’i Madagasikara. Tsy nahavita be teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy ihany ry zalahy ireo fa vitany ihany koa ny asa sarotra indrindra tsy vitan’ny mpitondra sy ny mpanao politika teto dia ny fampiraisana hina indray ny mpiray tanindrazana. Ny manahirana dia toa ireo mpitondra sy mpanao politika nifandimby indray no lasa nitondra fisaraham-bazana sy sakana tsy nahatontosa ny fampihavanana tena izy mandrak’ankehitriny. Ny hirariana hatrany dia ny tsy hijanonan’izao ambiasy eto Madagasikara manoloana ny fetin’ny baolina kitra afrikanina izao na dia aorian’ny CAN aza fa tena mba hahita dingana ahafahana manohy iny endri-pampihavanana vitan’ireo maherifontsika any Ejipta ireo ny mpisehatra amin’ny lafiny hafa rehetra, indrindra, ny politika. Miaritra kely !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT