Edito

Edito Miara-mihetsika indray


  • Zoma 15 Novambra 2019

Manambana hitaky ny tsy hikitihana ny torapasik’I Libanona ny ao Taolagnaro.

 

Mitaky ny ampitsaharana ny fanitarana ny seranan-tsambo koa ny ao Toamasina. Mitohy ny fitakiana ataon’ny mpampianatra mpikaroka ary miha miitatra manerana ny nosy. Manambana ihany koa io ny an’ny mpitsara taorian’ity raharaha Faniry Ernaivo ity. Fitakiana efa noheverina natory tamin’ny taon-dasa aza io miverina mifoha indray ao amin’ilay fiangonana nalaza iray izay. Inona moa izany fa tsy ny boribory vetaveta efa nisy hatramin’izay ihany no mbola miverina iainana koa ao anatin’izao 2019 izao ? Toy ilay efa nambara hatramin’izay ihany hoe toy ireny efa misy fotoana voafaritra ireny izy ity. Hatramin’izao dia miara-mangina daholo. Rehefa volana izao na fotoana toy izao indray dia miara-mihetsika daholo. Ny mampametra-panontaniana foana aza dia hoe sao dia misy maniraka na misy ambadika indray ireto tolona miara-mifoha ato anaty fotoam-pifidianana ireto ? Tsy misy maha diso ny fitakiana sy ny mpitaky azy saingy heverina fa sady tsy hahasoa ny firenena no sady tsy rariny kosa angamba raha toa ka hatreo amina fetra hahazoana tombontsoa manokana toy ny tsikaritra hatramin’izay ihany no hijanonan’ireny hetsika ireny. Dia tsy mahita fomba fitolomana mahomby kokoa sy miteraka fampandrosoam-pirenena ankoatra io efa tamin’ny taona 1972 mbola hampiharina hatramin’izao io ve ireto mpitarika sendika sy fikambanana marobe ireto ? Sa mitombina ilay filazana fa efa fomban’ireo mpitarika hetsika eto mihitsy ny manao fitaovana ny mpiara-miasa aminy mba hahazoana tombontsoa manokana ?   

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT