Nisy habaodoana nokoloina teny foana mba ho moana ny vinany ary jenjina ny saina, hoy ny mpahay tantara sady poeta, iray izay.
Rehefa dinihina tokoa ny raharaham-pirenena dia hita ho tsy mitsahatra miaina amin’ny eo ihany no eo ny malagasy tao anatin’izay taona maro nanomezana fahaleovantena azy izay. Fiteny rahateo koa moa ilay hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Ny mpitondra dia mbola tsy mitsahatra ny manome tsiny mpanohitra hatrany ary ny mpanohitra dia manohitra ny fanatanterahana ireo tetikasa kasain’ny mpitondra hotanterahana. Raha ny maso mijery sy sofina mihaino aloha dia izay hatrany no fiverenan-kira nitranga teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny andron’i dadabe Tsiranana no ho nankaty. Mampametra-panontaniana sy mampanahy mihitsy hoe sao dia anisan’ireo lova napetraky ny mpanjanaka ihany koa ary hatramin’ny resaka fanohanana sy fanoherana fitondrana eto Madagasikara. Toa ny eo ihany no mihodinkodina ? Etsy an-kilan’izany rehetra izany moa, mba tsy hilazana hoe etsy an-tsisin-tosy, dia miandry ny vahoaka. Miandry izay mba masoandro mihiratra kely ao am-bilaniny sy ao an-tokantranony ao manoloana ny raharaham-pirenena izay mahafanina azy. Efa jenjina tokoa angamba ny saina ka tsy afaka andefasana vinany hitsinjovana lavitra intsony vokatr’ilay fahantrana novolen’ny mpanjanaka sy ny mpanao politika hikoloan’izy ireo ilay habadoana voalaza teo. Ho avy tsy ho ela indray ity ny propagandy ka asa indray izao izay mbola hofitahana. Hifoha amin’izay ve ny valalabemandry ka hahatsapa tokoa fa nisy habadoana nokoloina teny foana mba ho moana ny vinany ary jenjina ny saina ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.