Edito

Edito Miandry izay sahy mijoro !


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

6 volana izay no lasa. Amin’ny ankapobeny, raha atao tombana ny zava-misy, dia teo aloha ny tohivakam-pitokanana ireo asa efa natomboky ny teo aloha.

 

 

Zary mifangaro voraka any an-dohan’ireo mpanara-baovao koa vokatr’izay ankehitriny ny hoe efa IEM ve itony ? Soa moa fa nisy ihany ireo nampahatsiahy teny an-tenantenany teny fa tsy izy ireny saingy na eo aza anefa izany rehetra izany dia miandry izay sahy hijoro hanazava tena amin’ny antsipirihan’ny fandehan-javatra rehetra isika mianakavy. Anisan’ny lesoky ny teo aloha, hono, tsinona ny tsy fahampian’izay sahy mijoro izay. Mbola ho ambangovangony be toy izay efa lasa rehetra izay ihany ve ny fanazavana hitranga manomboka eto amin’izao fampanantenana ny fanaovam-beloma ny gaboraraka izao sa ahoana ? Efa samy valalanina moa ny rehetra teo nahita ny zava-nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena  ! Tena mety sy tsy azo kianina izany angamba ho an’ny tany atao hoe demokratika izany mpitarika eo anivon’ny antenimieram-pirenena tsy misy, na dia iray aza, avy amina ankolafin-kery hafa izany. Tena naharesy lahatra ve ny vitan’ny praiminisitra teo aloha ka mbola nahavoatendry azy indray ? Miandry izay sahy mijoro !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT