Edito

Edito Miandry ilay tena fanavotana


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Miezaka maneho ny maha akaiky ny vahoaka azy faran’izay zokiny ny filoham-pirenena ankehitriny. Fiteniny matetika moa ny hoe hanampy ny vahoaka sy ny hoe hanavotra an’i Madagasikara.

 

Raha bangoina dia te hiseho mafy fa karazan’ireo mpanao politika mirona any amin’ny foto-pisainana sosialista ny tenany. Izay rahateo no azo ambara fa fonosin’ilay voambolana hoe “manampy”. Toy ny hoe manampy ny vahoaka na koa hoe manampy ny mahantra raha toa ka manarina mihitsy no foto-pisainan’ireo firehana an-kilany na ilay antsoina hoe “capitaliste”. Taratra tamin’ny kandida nifaninana taminy rehefa nampitahaina ny tetikasan’izy roalahy ary efa hita nandritra ny fitondrana Ravalomanana rahateo izay toetsaina tia manarina izay. Ilay fototra hahafahana manarina ny toekarena mihitsy dia ny lalana ahafahana manamora ny fivezivezen’ny vokatra mba hahafahan’ireo vahoaka mivelona sy mifamelona no nataony laharam-pahamehana. Efa niato ho tantara miandry tohiny moa ireny hatreto aloha fa ny tiana ahatongavana dia ny hoe miandry ilay tena fanavotana azy tokoa ny vahoaka Malagasy amin’izao izay fintinin’ny filoham-pirenena hoe “Madagasikara”. Tena hanavotra ireo mponina fadiranovana any Atsimo ve ny vary 57 taonina sy ny voamaina 10 taonina ary ny paty 20 taonina na mbola hiampy ilay hoe vary mora aza ? Mahagaga raha mpitondra efa avy nahavita dimy taona teto amin’ity firenena fadiranovana tamin’ny 10 taona lasa ity no mbola tsy mahay maka lesona amin’ny vitan’ny teo alohany ihany “hanavotana an’i Madagasikara.” Sa matahotra ny hokihanina indray hoe manao dika mitovy ny hafa raha masomboly no vatsiana ireo tantsaha tokony hamokatra. Heverina fa ny fifandraisan-tanan’ireo kandida roalahy tamin’ny 8 janoary dia azo adika ho fifametraham-pitokisana ihany na dia asiana fetra amin’ny maha mpitondra sy mpanohitra aza. Noraisin’ny iray ny tanan’ny iray satria nanantena izy fa hanaja ny fifanarahana natao. Noraisin’ny iray kosa ny tanan’ny iray satria matoky izy fa ho mpanohitra mpanorina na “opposant constructif” ilay nifanandrina taminy ka izay tsikerany eo dia hombam-bahaolana ahafahana miara-manavotra an’i Madagasikara.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT